FIKAMBANAN’NY GADRA POLITIKA NA FEDEP : Miandrandra vokatra avy amin’ny governemanta vaovao

Isaorana ny filohampirenena Andry Rajoelina, fa tao anatin’ny fisainana sy fahendrena ny nananganana ny governemanta vaovao, hoy atoa Rakotomalala Henri na Riribe, filoha nasionaly ny gadra politika. Nambarany, fa mitaky vokatra tsara avy amin’ireo minisitra tsirairay ny filohampirenena. Ka anisan’izany ny fijerena ny vidin’ny jiro an’ny jirama, ny vary, ny menaka, ny PPN amin’ny ankapobeny.

KAMBOTIN’NY ZANDARY AO ARIVONIMAMO : Notoloran’ny « Association Entraide Vendée Itasy » drap, servieta ary house

Nahazo fanampiana avy tamin’ny « Association Entraide Vendée Itasy » lambam-pandriana, servieta, housse ireo zaza kambotin’ny zandary ao Arivonimamo. Nambaran’ny kapiteny Randriamanjato Lucien izay mitaiza ireto kamboty ireto, fa zava-dehibe ho azy ireo no nahazoana izao fitafiana sy drap ary kojakoja samihafa izao ary nankasitraka ny fikambanana izay nanolotra izany fanampiana izany ity manamboninahitra ity.

VONDRON’NY AMBANY TANÀNA MIRAY NA VAM : Tsy mankasitraka ny hisian’ny tetezamita sy ny fanonganam-panjakana

Ho mariky ny fitiava-tanindrazana sy ny fihavanana ary ny firaisan-kina dia nanao fanambarana iombonana ny VAM na ny Vondron’ny Ambany tanàna Miray. Lavin’izy ireo marin-drano ny hisian’ny tetezamita intsony eto amin’ny tany sy ny firenena ary tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana eto Madagasikara intsony ity fikambanana ity.