Tena loza fa mbola misy sekoly toy izao eto Madagasikara. Azo an-tsaina daholo ny miseho ao ary mazava ho azy fa tsy hisy mihitsy ny vokatra tsara.
Catégorie : Samihafa
FAMPANDROSOANA : Fisolokiana fotsiny no hita eto Madagasikara
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray teo aloha dia miezaka mafy manaratsy, mamafy lainga mba hamafana ireo ezaka, ny fifanarahana sy ny tetik’asa tamin’ny fitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpamatsy vola ny mpitondra amin’izao.
KAOMININA ANKADINONDRY SAKAY : Mangataka ho distrika faha 3 ny Ben’ny tanàna
Feno ny fepetra ahafahan’ny kaominina Ankadinondry Sakay ho distraka fahatelo ao amin’ny faritra Bongolava, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna atoa Ramananjatovo. Raha ny nambarany mantsy dia feno ny fepetra mba ahazoana izany ary maro ireo fotodrafitrasa ao an-toerana no efa vita, izay ahitana tobin’ny zandary sy miaramila, sekoly, trano famakiam-boky, tranom-pokonolona, kianja 2, ka ny iray hangatahina hatao manara-penitra, lisea, Ceg, Epp, sns.
MPITSABO MALAGASY FITRAMA : Nahazo birao vaovao manara-penitra
Notokanana ny alakamisy lasa teo ireo birao vaovao fandraisan’olona an’ny mpitsabo Malagasy Fitrama.
TSENAN’I BEHORIRIKA : Mangataka ireo olona nahazo karatra hiditra ao an-tsena
Mangataka an’ireo mpivarotra nahazo karatra mba hiditra ao amin’ny tsenan’i Behoririka ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, atoa Ramiandrisoa Lalaina.
ANTOKO TIM AMBOHIMANGAKELY : Vonona hiatrika ny fifidianana 2023
Nivoitra nandritra ny fanatontosan’ireo mpitarika sy mpikambana eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara eny Ambohimangakely, nandritra ny fanatanterahana ny « Redynamisation » na fameloma-maso ny antoko, ny faran’ny herinandro teo ny fahavononan’izy ireo hiatrika ny ambaratongam-pifidianana hotanterahana amin’ny taona 2023.
TARIKA « AKON’I MANIA » : Mivoy ny « Kolohoto »
« Akon’i Mania », tarika mivoy sy manandratra ary mampahafantatra ho an’ny Malagasy sy ireo Vahiny ny harem-bakoka eo amin’ny lafiny hira sy mozika ary dihy izay mampiavaka ny faritra Amoron’i Mania.
FIKAMBANANA AV7 : Midera ny ezaka ataon’ny filoha amin’ny fikaroham-bahaolana
Midera sy mankasitraka ny ezaka ataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny fikaroham-bahaolana eto amin’ny firenena ny fikambanana AV7. Nambaran’ny filohany atoa Andriamahanina Haja, fa matoa nandeha tany Frantsa ny Filohampirenena dia nikatsaka vahaolana ho famahana ireo olana eto amin’ny firenena izy.
MC DINAH : « Mozikan’ny fo no voiziko »
Ny « Mozikan’ny fo » izay takarina avy amin’ireo trangam-piaraha-monina tetsy sy teroa no arafitr’i Mc Dinah hanjary kanto an-kira. Ny « Mc » izay adika tsotra amin’ny hoe : « Ny foko » (Mon cœur). Mampiavaka an’i Mc Dinah ny fampiasana mandrakariva ny gitara entina handravahana ny feo somary mikasoka nefa kanto ananany.
MPANAKANTO DRAGIN D’IHOSY : Manandratra ny mozika nentin-drazana
Dragin Roger no anarana fenon’ity mpanakanto Zanak’Ihosy, mivoy sy manandratra ny mozika nentim-paharazana mampiavaka ny Barabe izay monina any amin’ny faritra Ihorombe ity.
