TSENAN’I BEHORIRIKA : Mangataka ireo olona nahazo karatra hiditra ao an-tsena

Mangataka an’ireo mpivarotra nahazo karatra mba hiditra ao amin’ny tsenan’i Behoririka ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, atoa Ramiandrisoa Lalaina. Nambarany, fa tokony hanaraka ny fandamnana hataon’ny kaominina ireo mpivarotra, indrindra mba hamonjy ny faritra omena azy. Mahatratra eo amin’ny 800 eo ho eo ireo mpivarotra tokony hiditra ao amin’ny tsenan’i Behoririka vaovao. Ny antony, hoy ny delege dia ny hampihenana ny fitohanan’ny fiara. Eo ihany koa ny fidirana amin’ny fantsarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Koa mbola manamafy izany ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, fa tokony hanaraka fandaminana ireo mpivarotra ary ireo nahazo karatra mba hiditra anaty tsena mba hanara-dalàna, hoy hatrany ny delege. Ankoatra izay dia nambaran’atoa Ramiandrisoa Lalaina ihany koa fa miditra amin’ny tetikasa lalankely III ny Boriborintany fahatelo amin’izao fotoana izao. Efa manomboka io tetika io amin’izao fotoana izao ary fokontany maromaro no hanaovana izany tetikasa lalan-kely III izay ary fokontany 34 mandrafitra ny Boriborintany no ezahina hametrahana io “projet lalan-kely III” io, hoy hatrany ny delege.

Vous aimerez aussi