ORINASA HARENA RARE EARTHS : Nomen’ny mpitondra fanjakana “fanavaozana” alalana hitrandraka (permis d’exploitation) ny « terres rares » ao ampasindava

Ampasindava

Maneho fanahiana lalina, izay fantatra fa iraisany amin’ny olompirenena malagasy maro, ny Collectif TANY, manoloana ny vaovao miparitaka tato ato mahakasika ny nanomezan’ny tompon’andraikitra mahefa ao amin’ny fitondram-panjakàna Fanavaozana alàlana hitrandraka ny « terres rares » ao Ampasindava (permis d’exploitation) tamin’ny 8 oktobra 2026.

ANTOKO "MRM" : "Mila hatsaraina ny fanaovana politika hisorohana ny krizy miverimberina"

Iberanandrasana Jhona, filohan'ny Antoko MRM

“Mouvement pour le Renouveau de Madagascar” Antoko niorina ny volana Martsa teo. I Jhona Iberanandrasana no filoha mitarika azy. Antony nanosika ny lehilahy nanangana ny Antoko “MRL” ny fahitana ny toe-draharaha ara-politika eto Madagasikara izay notarafin’ny filohan’ny MRM tamin’ireo fifidianana notanterahana teto amin’ny Nosy izay nandraisan’anjaran’ireo mpikambana mandrafitra ny Antoko MRM ankehitriny.

“DUBAI” MALAGASY IRAY AO AMIN’NY LAKANDRANON’I MOZAMBIKA : Iza ilay mpampiasa vola vahiny nampanantenaina ny Nosy Mitsio ?

Nosy Mitsio

Inona marina no konokononina ao Nosy Mitsio ? Ity nosy kely ao amin’ny tapany avaratry ny Lakandranon’i Mozambika ity, izay eo amina toerana stratejika ho an’ny fivezivezena an-dranomasina eran-tany, ary misy mponina an’arivony maromaro mivelona amin’ny jono, ny fambolena, ary ny fizahantany ara-tontolo iainana manaja ny natiora sy ny zavamananaina isan-karazany tsara tahiry amin’ny fomba miavaka, dia hita fa lasa lasibatry ny fitsiriritana mafy avy amin’ny karazan’olona samihafa efa an-taona maro izao.

“ASSOCIATION MAIN DE LUMIÈRE ET DE SAVEUR” : Misehatra amin'ny fanampiana ireo marefo sy sahirana

Ramanandraisoa Fenohery, filoha mpanorina ny “Association Main de lumière et de saveur” miorina ao Analavory faritra Itasy

“Manome fahazavana, mizara tsiro, manova fiainana”. Io no teny filamatra tanterahan’ny “Association Main de lumière et de saveur” miorina any Analavory faritra Itasy. Ny faniriana lalina niboiboika ho amin’ny fanampiana ireo marefo toy ireo zaza kamboty, ireo reny miady irery amin’ny famelomana ny menaky ny ainy mba hananan’izy ireny hoavy mamiratra amin’ny alalan’ny fanolorana fiofanana azy ireny sy fanampiana amin’ny endriny marolafy no nanosika an-dRamatoa Ramanandraisoa Fenohery nanangana ny “Association Main de lumière et de saveur”.

VOVONANA "VMFR" : Mitaky fifampiresahana maika amin'ny filohan'ny fanavaozana

VOVONANA VMFR

Nanao antso avo ho amin’ny fangatahana fifampiresahana maika amin’ny filohan’ny fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michaël tamin’ny alalan’ny mpandrindra ny VMFR Randrianirina Jean Ignare “Ramasy” ity Vovonana ity mba hahafahana misoroka mialoha ireo mety hitranga ateraky ny tsy fisian’ny fifampiresahana mazava sy ankitsimpo. Nomarihan’ny avy eo anivon’ny VMFR fa ilaina ny fanatanterahana ny “Dinika politika” mba hahamari-toerana ny fitondrana misy ankehitriny.

MPANAKANTO ANDRAREZINA "FANOVONA JEAN GABIN" : Ho marolafy ireo hetsika ho fanomezam-boninahitra azy

Fanovona Jean Gabin, nitondra avo ny fanevan'ny mozika avy any atsimo

Fanovona Jean Gabin, Mpanakanto andrarezina nitondra avo ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Raha tsiahivina izy no namorona ny tarika “Vaovy”. Ity farany izay nanandratra sy nivoy ny “Beko”, gadona sy fomba fihira nentim-paharazana avy any atsimon’i Madagasikara. Ampahany amin’ireo tsanganasani Gabin Vaovy ny “Salakao”. Mpanakanto tsy nitsahatry ny nikaroka ny paika rehetra hampiroboroboana ny mozika malagasy ihany koa ny lehilahy tamin’ny fotoam-pahavelomany. Maro ireo firenena efa nanjifa ny mozika nojariany.

Mitaky ny fampitsaharana tsy misy hatak’andro ny orinasa M.L.S.G ireo fiarahamonim-pirenena

Mbola mitaky ny fampitsaharana tsy misy hatak’andro ny fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa Mac Lai Sime Gianna (M.L.S.G) ao Ambalamanasa, kaominina Vohilava, distrikan’i Mananjary, ireo fikambanana CRAAD-OI, FARM ary OIDESCM-Mananjary. Ao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo ny 12 oktobra 2026, dia naneho ny ahiahiny momba ny mety ho fitohizan’ny asa fitrandrahana na dia efa nisy aza ny fanambarana fampitsaharana azy, sy ny mety ho fiantraikany amin’ny zon’ny mponina ary ny tontolo iainana.