Tanjon-dRakotoarimanana Niry Ndranto “Ranto” amin’ny fikirakirana ny mozika ny hamokatra kanto an-kira (Mozika) mitoetra sy mipetraka mahatety vanimpotoana maro mifandimby toy ireo efa nojarian’ireo mpanakanto andrarezina Malagasy. Mampiavaka ny tsanganasan’ity mpanakanto tanora ity ny fisian’ny anatra sy ny hafatra sahaza ny sokajin-taona rehetra anatin’ireo tononkirany…
Catégorie : Samihafa
FIZOTRY NY RAHARAHAM-PIRENENA : Mila fanazavana feno ny Malagasy mba tsy ho tompon-trano mihono lava izao...
Fikaonandoham-pirenena sasatry ny mihemotra ny fanatanterahana azy, vidim-piainana manonga saika isanandro vaky, tsy fandriam-pahalemana mirongatra sy tsy voafehy… Ampahany ihany amin’ireo tara-kevitra maro mifamahofaho saika ho isanandro vaky ao an-dohan’ny Malagasy ireo ankehitriny. Mila mitondra fanazavana ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany fa lasa tompon-trano mihono ny Vahoaka Malagasy.
AMPASINDAVA : Tsy manaiky ny fitrandrahana "terres rares" ny mponina
Niray feo ny mponina ao Ampasindava sy ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny faritra DIANA mba haneho ny fandavany tanteraka ny fitrandrahana “terres rares” ao an-toerana. Manao izao fitarainana izao izy ireo taorian’ny voka-dratsy maro efa nateraky ny asa fikarohana nataon’ireo orinasa nifandimby nanomboka ny taona 2010. Manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana sy ny olom-pirenena rehetra izy ireo mba hanafoanana tanteraka io tetikasa io ho fiarovana ny tontolo iainana, ny fambolena, ary ny hoavin’ny taranaka fara mandimby.
ANTSAHAKELY - BESARETY : Halatra tany !
Nividy trano tao Antsahakely ilay olona dia nofefeny daholo hatramin’ny tanim-panjakana izay hivarotana. Tsy misy fanamarihana hoe tompony izy fa bodogerona fotsiny. Tsy velona intsony ny mponina very tsena mamelona olona aman-jatony…
"ANJOMARAN'NY FITIAVANA TOAMASINA" - "STK TIA ANDRAISORO" - RFF AMPARIBE" : Hiray sehatra anatin'ny "Asandrato"
Ho fankalazana ny faha dimampolo taonan’ny STK Tia Andraisoro Kristy famonjena sy ny fanamarihana ny faha dimy ambiny telopolo taona namoronan-dRazafindrazaka Handrisoa hira fiderana. Ity farany izay “Chef de chœur” eo anivon’ny Antoko mpihira Anjomaran’ny fitiavana FJKM trano vato fitiavana Toamasina ary fanamarihana ny jobily volafotsy faha dimy ambiny roampolo taona nijoroan’ny RFF FJKM Amparibe famonjena.
RADERANIRINA SENDRISON DANIELA - ANTOKO FY-M : "Ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena madio aloha vao fikitihana ny Lalam-panorenana raha ilaina..."
Hentitra ny fanehoan-kevitra nentin’ny filohan’ny Antoko politika Fy-M Raderanirina Sendrison Daniela manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. “Ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena lavitry ny hosoka no tokony hilofosana malaky vao miroso ho amin’ny fikitihana ny Lalam-panorenana isika raha tena ilaina ny fanaovana izany” hoy izy.
ASA FANAFANANA LANONANA : Mitaky fahamatorana, famoronana ary fitiavana
Anisan’ny sehatrasa miroborobo fatratra tato ho ato ny lafiny fikarakarana sy ny fanafanana lanonana. Anisan’ny tsiambaratelon’ny fahombiazana ho amin’izany ny fananana toe-tsaina tia mamorona eo amin’ny endrim-panentanana sy fanafanana ary hatramin’ny fampihaingoana ny sehatra.
DEPIOTE NAINA - BORIBORINTANY FAHATELO : Nanatanteraka didimpoitra faobe
126 no isan’ireo zazalahy nisitraka ny didimpoitra faobe maimaimpoana, notanterahan’ny Solombavambahoaka Ramboarivelo Andrianantenaina Jocelyn Willy “Depiote NAINA” ao amin’ny Boriborintany fahatelo sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatanterahana izany ny “assistante parlementaire” Fanja Myriam Raharimanana, ny Sabotsy 25 jolay dila teo.
MPANAKANTO "SUZA RAVEL" : Mivoy ireo "kalon'ny fahiny" sy ireo "Kalon'ny omaly"
Teo amin’ny fahavalon’ny taonany no efa nanomboka nankafy ny famelomana ireo *Kalon’ny fahiny” (Hira teatraly) sy ireo “Kalon’ny omaly” (Hiran’ny taona fitompolo …) i Suza Ravel. Ity farany izay tinaizan’ireo nahitany masoandro tanatin’ny fihainoana sy fankafizana ary fikirakirana ireo “Kalon’ny fahiny” sy ireo “Kalon’ny omaly”.
TAOZAITRA MAMI : “Ny fananana fahamatorana no antoky ny fahombiazana…”
Ny taona valopolo sivinjato sy arivo no efa nikirakira ny asa zaitra i Rakotoarimisa Jean Aimé Mamiheriniaina “Taozaitra Mami” tamin’ny fanampiana ny Reniny. Ity farany izay efa an-taonany maro ihany koa no nisehatra tamin’ny fanjairana sy ny fivarotana ireo asa tanany teny amin’ireo tsena lehibe toa an’Andravoahangy.
