Ankatoky ny fotoam-pahavaratra toy izao misy antsika izao no mampiakatra ny marimpanan’ny hafanana eto am-povoantany. Maro no mety ho diso hevitra fa ny fakana aina amin’ny toerana maloka toy ny fijanonana ao an-trano no mety indrindra.
Azo atao tsara anefa ny manantona ireo dobo filomanosana sady miala voly no manao fanatanjahantena. Anisan’ny miavaka amin’ireny ny etsy amin’ny Madagascar Espace By pass Ambohimangakely. Dobo filomanosana miisa efatra no misy eny an-toerana. Ankoatry ny fahafahana milomano, miara-dalana amin’izany ihany koa ny sehatra malalaka ho an’ireo tia mihira sy mivazo ary mitsinjaka sy mandihy amin’ny alalan’ny fisian’ny “karaoké” sy ireo mpanakanto tsy ampoizina ho avy eny an-toerana hanentana amin’ny dihy zumba anaty rano “zumba aquatique”. Hanatevina izany koa ny “mpikosoka kapila”.
Ankoatr’ireo misy eny an-toerana ny filalaovana billard, tennis ary toeram-pilalaovana ho an’ireo kilonga. Afaka mijanona eny an-toerana ny fianakaviana noho ny fisian’ny efitra afaka hampian-tranoana azy ireo. Mandritra ity faran’ny herinandro ity dia hisokatra ho an’ny rehetra ny dobo filomanosana eny amin’ny Madagascar Espace” By pass Ambohimangakely. Hitohy tsy miato izany amin’ny herinandro ambony anatin’izao hafanana be eto Iarivo izao. Ho fitsenana ny voalohan’ny volana novambra ihany koa. Samy tsy hisy ho diso anjara ny sokajin-taona rehetra. Azo atao tsara, araka izany, ny miala voly, manao fanatanjahantena anatin’ny vanimpotoanan’ny hafanam-be tahaka ny miseho eto Analamanga izao.



