“Manome fahazavana, mizara tsiro, manova fiainana”. Io no teny filamatra tanterahan’ny “Association Main de lumière et de saveur” miorina any Analavory faritra Itasy. Ny faniriana lalina niboiboika ho amin’ny fanampiana ireo marefo toy ireo zaza kamboty, ireo reny miady irery amin’ny famelomana ny menaky ny ainy mba hananan’izy ireny hoavy mamiratra amin’ny alalan’ny fanolorana fiofanana azy ireny sy fanampiana amin’ny endriny marolafy no nanosika an-dRamatoa Ramanandraisoa Fenohery nanangana ny “Association Main de lumière et de saveur”.
Misehatra amin’ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ireo tanora ny fikambanana. Mirotsaka an-tsehatra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny asa fambolena ihany koa. Anisan’izany ny fanamainana ny anandrano, fanodinana ny sakay. Anisan’ny iseharan’ny “Association Main de lumière et de saveur” ihany koa ny asa tanana amin’ny alalan’ny famokaran’izy ireo ny satroka, poketra, fanaingoana (décoration) vita amin’ny akora voajanahary toy ny bozaka sy ny rofia. Tanjona ny hananan’ireo marefo asa ho fidiram-bolan’izy ireo hahafahany miaina am-pahamendrehana.
Anisan’ny mbola sakana ho amin’ny fampiroboroboana ny sehatrasan’ny fikambanana, hoy Ramanandraisoa Fenohery filohany ny tsy fananana sy tsy fahampian’ny loharanom-bola maharitra sy ny fitadiavana tsena hamarotana ireo vokatry ny tany sy ny an’ireo mpanao asa tanana.
Vina lehibe ho an’ity fikambanana ity ny hanangana foibe hahafahana mandray an-tanana ireo marefo sy ireo zaza kamboty. Hiara-dalana amin’izany ihany koa ny fananganana ivon-toerana fanofanana arak’asa ireo reny sahirana, ny tanora mba hananan’izy ireo fahaiza-manao hoentina mamorona asa. Manao antso avo amin’ireo tsara sitrapo, ONG, fondations, sns, araka izany, ny “Association Main de lumière et de saveur” ho amin’ny fanatanterahana izany.
Afaka mitondra ny anjara birikiny amin’ny alalan’ny fividianana ireo vokatra, fanolorana fitaovana, fanohanana ireo tetikasa ihany koa ny tsirairay. Hiteraka fanantenana ho an’ny fianakaviana iray ny fanatanterahana izany ary hitarika ho amin’ny fiovana ho amin’ny fiainana mendrika sy tsara kokoa. Mendrika tohana avy amin’ny fanjakana foibe ny Malagasy manana finiavana ho amin’ny fanampiana ny mpiara-belona aminy tahaka ity miorina any Analavory, faritra Itasy ity.


