VOVONANA "VMFR" : Mitaky fifampiresahana maika amin'ny filohan'ny fanavaozana

Nanao antso avo ho amin’ny fangatahana fifampiresahana maika amin’ny filohan’ny fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michaël tamin’ny alalan’ny mpandrindra ny VMFR Randrianirina Jean Ignare “Ramasy” ity Vovonana ity mba hahafahana misoroka mialoha ireo mety hitranga ateraky ny tsy fisian’ny fifampiresahana mazava sy ankitsimpo. Nomarihan’ny avy eo anivon’ny VMFR fa ilaina ny fanatanterahana ny “Dinika politika” mba hahamari-toerana ny fitondrana misy ankehitriny.

Raha tsiahivina, ny hahamarim-pototra ny fanjakana mijoro, ny hanamorana ny fomba fitantanana ny firenena ary ny fikarohana ny fomba hanatanterahana ireo fitakiana nataon’ireo mpitolona tamin’ny 25 Septambra ho amin’ny tena fanovana. Ireo no anisany antompisian’ny Vovonana Miaro ny Fanovana miatrika ny Repoblika vaovao “VMFR” fa tsy ny fitadiavan-tseza na fanonganam-panjakana akory, hoy ny filohany Rakotomavo José. Nanterin’ny avy ao amin’ny Vovonana”VMFR” hatrany fa “Dinika sy teny ierana aloha vao fahefana” Mila manatanteraka ny teny izay navoakan’ny vavany sy mampanjaka ny fahamarinana ny mpitondra ankehitriny, hoy hatrany ny mpandrindra ity Vovonana ity. Mila fifandaminana vaovao, araka izany, ny Mpanao politika mba hahamari-toerana ny fitondrana. Tsy mbola milamina ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ankehitriny koa ilaina ny fifampiresahana. Ny VMFR izay miezaka ny hampivondrona ireo Antoko politika ho amin’ny famerenan-kasina ny fanaovana politika eto Madagasikara.

Nomarihan’ny mpandrindra ny Vovonana”VMFR” Randrianirina Jean Ignace “Ramasy” ihany koa fa tsy izy ireo no nitaky ny tokony hanatanterahana ny “Dinika politika” fa ny filohan’ny fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michaël. Anisan’ny nitaky izany ihany koa ireo “Fianaviambe iraisam-pirenena” mba hahafahana mametraka ny fitoniana politika hizorana ho amin’ny famahana miandalana ireo olana tsy hiverimberenan’ny krizy politika eto Madagasikara. Hahay hzmpandefitra ny hambom-pony ve ireo mpisehatra politika eto amin’ny Firenena mba ho fikatsahana ny tombontsoa iombonana sa mbola ho baikon’ny fitiavan-tena sy seza ary fahefana diso tafahoatra ?

Vous aimerez aussi