FIKAMBANANA "BETH ISRAËL MADAGASCAR" : Manohana an'Israely tsy misy fepetra

Fikambanam-pianakaviana miorina eto Madagasikara ny “Beth Israël Madagasikara” izay manana ny foibeny etsy Ambohitrarahaba. Niara-dia hatry ny ela amin’ny Israël ny fikambanana ary manatanteraka ny voasoratra anatin’ny baiboly toy ny fanatanterahana ny fety iraisan’ny Israely maneran-tany tahaka ny Taom-baovao Hebreo, ny Yôm kippour.

Ny 07 Oktobra dila teo ireo mpikambana eo anivon’ny”Beth Israël Madagasikara no niara-niombom-po tamin’Israely noho ny fampihorohoroana izay nitohy tamin’ny herisetra, fakana ankeriny ary famonoan’olona naharavan’ny fianakaviana maro nataon’ny Vondrona Hamas tany atsimon’Israely, ny 07 Oktobra telo ambiny roampolo sy roarivo, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny fitoerana an-trano rantsan-kazo ny Vahoaka Israelianina. Nandritra ity fotoam-pahatsiarovana ity no nanamafisan’ny fikambanana”Beth Israël Madagasikara” ny fanohanan’izy ireo an’Israely. Naneho fiaraha-miory amin’Israely ny fikambanana ary nitondra teny fampaherezana ho azy ireo izay mbola miatrika ady mandraka ankehitriny. Nomarihan’i Malakh Zaken Bruno mpitarika ny fikambanana”Beth Israël Madagascar” fa mandala ny fandriam-pahalemana ary manameloka ny herisetra ny fikambanana. Miombom-po amin’Israelianina mba hisian’ny fiadanana. Vinanasan’izy ireo ny hanatanteraka fitsidihana any Israely ho fanamafisana ny firahalahiana efa misy eo amin’ny roa tonta.

Vous aimerez aussi