Rasoloarison Gilbert Anatole Claude Martial, fantatry ny maro amin’ny solonarana hoe : “Papa”, “Ndriana Pap’s” izay efa lasa nodimandry dimy taona lasa izay. Izy no angady nananana sy vy nahitana ny Orchestre “PAP’S” Ity farany izay azo ambara fa matihanina amin’ny lafiny fanafanana lanonana sy ny fikarakarana rehetra manodidina izany. I Ndriana pap’s izay niavaka tamin’ny fahafahany mitana feon’andriambavilanitra sy ny fahafehezany mitendry karazan- zavamaneno maro be toy ny gitara, aponga maroanaka, Vatamaroafitsoka, sns. Manan-talenta tamin’ny famoronan-kira koa ny lehilahy sady nahafehy ny lafiny teknikan’ny fanatanterahana lanonana.
Hisy ny fotoam-pankalazana ny faha dimy ambiny telompolo taona nijoroan’ny Orchestre”PAP’S” sy ny fahatsiarovana ny faha dimy taona nahafatesan’i Ndriana Pap’s. Hanokafana izany ny fanatanterahana ny Alim-pikoranana” arahana sakafo “Soirée buffet” hatao etsy amin’ny PK Zéro Antanimena, ny Zoma 30 Oktobra ho avy izao. Ankoatry ny Orchestre PAP’S izay hanafana ny ampaham-potoana betsaka amin’ny fiarahana, handray anjara ihany koa ireo Mpanakanto namana akaikin’i Ndriana Pap’s fony fahavelony sy i Dj Gouty. Nomarihan’i Packo, lahimatoan’i Ndriana Pap’s izay mitarika ny Orchestre PAP’S ankehitriny fa ho raitra sy ho matihanina ireo pitsopitsony ara teknikan’ity Alim-pikoranana ity. Noezahana hamaly ny filan’ireo mpankafy rehetra ihany koa ny nandrafetana ny “Fandaharan-kira” (Répertoire) ho vazoina eny an-toerana. Ankoatry ny fahafinaretana ho azo amin’ny fihainoana ireo hira tsy ho diso anjara ihany koa ireo mankafy ny fandihizana. Ho feno tanteraka ny hafaliana toy ny mahazatra amin’ny fiarahana amin’ny Orchestre PAP’S hatramin’izay.
Amin’ny maha mpitia ny taranja fanatanjahatena baolina kitra an’i Papa. Hitohy ny 15 Novambra etsy amin’ny kianja Malacam amin’ny alalan’ny fifaninanana baolina kitra izay hahafahan’ny sokajin’olombelona rehetra tsy ankanavaka (Mpanakanto, Mpanao Gazety, sns) mandray anjara ny fotoam-pankalazana. Hiara-dalana amin’izany ny seho ankalamanjana eny an-toerana.
Ny 22 Novambra etsy amin’ny PK Zéro Antanimena ihany no hanatanterahana ny fotoam-bavaka sy fisaorana ireo rehetra niara nisalahy sy niasa amin’ny fankalazana ny faha 35 taona nijoroan’ny Orchestre”PAP’S sy ny faha dimy taona nahafatesan’i Papa. Marihana fa ny vola ho azo amin’ity hetsika ity dia hoentina hanampiana ireo manana fahasembanana. Etsy amin’ny PK Zéro Antanimena no ahafahana mividy ny tapakila. Ny Adidy ho vita ny fahafinaretana ho azo. Mitohy ny lalana ho an’ny Orchestre PAP’S !


