Tsy niandry ela, roavolana no naha Sefo Fokontanin’Andranonahoatra Itaosy an’Andriamamonjy Nomenjanahary Hery Tiana dia efa nirosoany ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana maika ho an’ireo Mponina eny an-toerana.
Catégorie : Samihafa
FIANGONANA "HEBREO NOTSRYM" : Nankalaza ny "Yôm Teroa"
Ny tontolo andron’ny Alahady 27 Septambra lasa teo, tetsy amin’ny “Bet kneset” (Trano fivavahana) Ankasina, no nanamarika ny “Yôm Teroa” na ny “fetin’ny trompetra” ireo avy eo anivon’ny Fiangonana”Hebreo notsrym” tarihan’i Shalar Rija Andriamady…
FANAKATONANA NY "LYCÉE ANGLIKANINA SAINT JEAN AMBOHIMANGAKELY" : Voafitaka ireo Ray aman-drenin'ny Mpianatra
Alahelo, hatezerana, fahadisoam-panantenana ireo no fihetseham-po nifamahofaho tamin’ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra nampiana-janaka tao amin’ny sekoly Anglikanina Saint Jean Ambohimangakely noho ny fanakatonana ny sekoly tampoka sy tsy nifampierana…
MPANAKANTO "ROJO NY AVO" : Hanolotra "Antsam-piderana" etsy Ankaraobato
Ny tolakandron’ny Sabotsy 26 Septambra ho avy izao, hanomboka amin’ny roa ora sy sasany tolakandro, etsy amin’ny Fiangonana FJKM Ankaraobaton’i Kristy fehizoro, no hiaka-tsehatra ny tarika Rojo Ny Avo amin’ny endriny feno.
QMM RIO TINTO : Miantso ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny fiarahamonim-pirenena mba hampandoa ny onitra ho an’ireo fianakaviana ao Andranokana
Miantso ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny fiarahamonim-pirenena mba handray andraikitra amin’ny fandresen-dahatra ny orinasa QMM Rio Tinto hanatanteraka tsy misy hataka andro ny didim-pitsarana momba ny fandoavana onitra ho an’ireo fianakaviana 27 ao Andranokana. Mahatratra 9,9 lavitrisa ariary ny onitra voakasik’izany, raha toa ka mbola mitohy ihany koa ny fitarainan’ireo mponina momba ny fiantraikan’ny « seuil déversoir » amin’ny fiveloman’izy ireo.
ZOTRA E AMBOHIMANGAKELY : Tompon-daka amin'ny fampijaliana mpandeha
Mbola misy ve ilay bokin’andraikitra mirakitra ireo fepetra tsy maintsy arahan’ireo Koperativa misehatra alin’ny fitateram-bahoaka an-drenivohitra sy ny manodidina ? Tsia avy hatrany ny valiny raha ny fomba fiasan’ny Zotra E mampitohy an’Ambohimangakely amin’ny Renivohitra izay anjakan’ny gaboraraka no resahana.
SEKOLY "MADA SCHOOL" 67 HA : Manabe sy manala fahasahiranana ireo Ray aman-dren
Fampitana fampianarana ombana fanabeazana amin’ny alalan’ny fampiasana teny Frantsay sy ny fanazarana miandalana ireo kilonga madinika hizatra ny fiteny anglisy. Manana mpanabe efa manana traikefa ho amin’ny fitaizana ireo zaza madinika manomboka eo amin’ny telovolana ihany koa ny sekoly Mada School etsy amin’ny 67 Ha. Misy foto-drafitrasa sahaza ny taonan’ireo kilonga beazina eny an-toerana ihany koa ao amin’ny sekoly.
PRINTSY ANDRY RODRIGUE : Olon'ny fahalalana sy ny fahendrena nentim-paharazana, siansa ary ny lalàna
Iray amin’ireo Malagasy nandalina sy nikaroka ary miezaka mandrakariva ny hampiara-dalana ny fahendrena sy ireo fahalalana nentim-paharazana amin’ny Siansa sy ny Lalàna ny Printsy Rakotoarisoa Andry Rodrigue mba ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
MPANAKANTO RANTO : Manajary "Mozika mitoetra"
Tanjon-dRakotoarimanana Niry Ndranto “Ranto” amin’ny fikirakirana ny mozika ny hamokatra kanto an-kira (Mozika) mitoetra sy mipetraka mahatety vanimpotoana maro mifandimby toy ireo efa nojarian’ireo mpanakanto andrarezina Malagasy. Mampiavaka ny tsanganasan’ity mpanakanto tanora ity ny fisian’ny anatra sy ny hafatra sahaza ny sokajin-taona rehetra anatin’ireo tononkirany…
FIZOTRY NY RAHARAHAM-PIRENENA : Mila fanazavana feno ny Malagasy mba tsy ho tompon-trano mihono lava izao...
Fikaonandoham-pirenena sasatry ny mihemotra ny fanatanterahana azy, vidim-piainana manonga saika isanandro vaky, tsy fandriam-pahalemana mirongatra sy tsy voafehy… Ampahany ihany amin’ireo tara-kevitra maro mifamahofaho saika ho isanandro vaky ao an-dohan’ny Malagasy ireo ankehitriny. Mila mitondra fanazavana ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany fa lasa tompon-trano mihono ny Vahoaka Malagasy.
