FIANGONANA "HEBREO NOTSRYM" : Nankalaza ny "Yôm Teroa"

Ny tontolo andron’ny Alahady 27 Septambra lasa teo, tetsy amin’ny “Bet kneset” (Trano fivavahana) Ankasina, no nanamarika ny “Yôm Teroa” na ny “fetin’ny trompetra” ireo avy eo anivon’ny Fiangonana”Hebreo notsrym” tarihan’i Shalar Rija Andriamady.

Ny “Fetin’ny trompetra” izay midika ho fankalazana ny fiavian’i Mesia eny amin’ny rahon’ny lanitra. Maneho ny fahatsiarovana ny nidiran’ny Zanak’Israely tao Kanana izay tany nampanantenaina azy ireo ihany koa ny “Yôm Teroa”.

Ankoatry ny fisian’ny fotoam-pivavahana sy fitsofan-drano nataon’ireo Raiamandreny dia nandrafitra ny fandaharam potoana teny Ankasina ihany koa ny fiaraha-misakafo “Hanim-pitoloha” nialohavan’ny Vary amin-tantely tondraha-dronono.

Azo ambara ho fanamarihana ny “Taom-baovao lohataona” ihany koa ny fankalazana ny “Fetin’ny trompetra” ho an’ny fiangonana”Hebreo notsrym” Marihana fa ny Hebreo sy ny Malagasy ihany no mankalaza Taom-baovao miisa roa. Nomarihan’ny Shalar Rija Andriamady fa samy mitombona sy marim-pototra avokoa ny fankalazana ny “Taom-baovao lohataona” sy ny “Taom-baovao fidiovana” koa tsy tokony hiteraka fisaraham-bazana fa vao mainka aza hampiray hina hatrany. Manaporofo indray izany fa maro amin’ny Malagasy no taranaka Hebreo.

Nomarihan’i Shalar Andriamady Rija nandritry ny tafa nifanaovany tamin’ireo Mpanao Gazety teny Ankasina fa tokony ho velarina amin’ireo Antokom-pinoana rehetra misy eto Madagasikara ny fandraisana anjara anatin’ny “Fikaonan-doham-pirenena” Naneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fampandrosoana ny Firenena rahateo ny eo anivon’ny Fiangonana Hebreo notsrym. Ity farany izay toa hadinon’ny FFKM izay mpanomana sy mpandrindra ny “Fikaonan-doham-pirenena” ny fisiany eto Madagasikara ?

Vous aimerez aussi