Tsy niandry ela, roavolana no naha Sefo Fokontanin’Andranonahoatra Itaosy an’Andriamamonjy Nomenjanahary Hery Tiana dia efa nirosoany ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana maika ho an’ireo Mponina eny an-toerana.
Anisan’ireny ny fametrahana ireo “Andrimasom-pokonolona” ho fanamafisana ny lafiny fandriam-pahalemana eny anivon’ireo “Vakim-paritra” (Sektera) miisa fito mandrafitra ny Fokontanin’Andranonahoatra Itaosy, Distrikan’Antananarivo atsimondrano. Nomarihan’Andriamamonjy Nomenjanahary Hery Tiana, sefo-pokontany eny Andranonahoatra Itaosy fa misy hatrany ny fiaraha-miasa eo anivon’ny Fokontany sy ireo mpitandro ny filaminana ahitana ny Zandary sy ny Polisy. Miara-dalana amin’ny ezaka ho amin’ny fampandriana fahalemana eny an-toerana ihany koa ny fametrahana ireo jiro an-dalam-be. Miara misalahy hatrany ny Ben’ny Tanàna, Delege ary ny lehiben’ny Distrikan’Antananarivo atsimondrano ho amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra eny an-toerana.
Eo amin’ny lafiny fahadiovan’ny Tanàna, misy ny asa fanadiovana ireo tata-drano hita fa tototry ny fako. Miara-dalana amin’izany ny fanadiovana ireo arabe eo anivon’ny Fokontany Andranonahoatra Itaosy. Ny fiaraha-miasa amin’ny FID no nahafahan’ireo Olombelona miisa enina sy roanjato nanatanteraka ireo asa fanadiovana anatin’ny roampolo andro.
Ezaka goavana ataon’ny eo anivon’ny Fokontany Andranonahoatra Itaosy ny fanamorana sy ny fanafainganana ny fikarakarana ireo taratasim-panjakana ilain’ireo Mponina. Tanjona ihany koa ny hanatanterahana ilay hoe : “Tsy mavozo miditra biraom-panjakana” ny rehetra.
Anisan’ny mbola olana ho an’ny Fokontanin’Andranonahoatra Itaosy Antananarivo atsimondrano, ny tsy fananan’izy ireo tsena iombonana. Ny sisin-dalana aloha hatreto no hifampizaran’ireo Mpivarotra, ny mpandeha an-tongotra ary ireo mampiasa fiarakodia. Misy hatrany anefa ny fandaminana hampirindra ny fifamoivoizana sy ny fikajiana ny fahadiovan’ny Tanàna izay iantsorohan’ny lehiben’ny tsena ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany. Efa misy ny vina fanorenana tsena, araka, ny angom-baovao natao teny an-toerana.
Tsy diso anjara ireo Tanora monina ao amin’ny Fokontanin’Andranonahoatra Itaosy. Tsy ho ela dia hisy ny fifaninanana eo amin’ny taranja baolina kitra izay hatolotry ny Sefo-pokontany. Tanjona ho amin’izany ny fanamafisana ny firaisankina eo amin’ireo tanora sy ho fialamboly ombana fanabeazana azy ireo. Ezahana hisandrahaka amin’ireo Fokontany hafa ity “Tournoi Fokontany” hatomboka ao Andranonahoatra Itaosy ity.
Anisan’ny haverina eny anivon’ny Fokontanin’Andranonahoatra Itaosy ihany koa ny “Fehim-pihavanana” ho fanatanterahana ilay hoe : ” Miaràha ory amin’izay ory…” Misy hatrany ny fanatanterahana ny “Tsipaipaika” sy ny fiarahana mitsapa alahelo amin’ireo mana manjo.
Eo amin’ny lafiny fahasalamana efa manana toby fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ny ao amin’ny Fokontanin’Andranonahoatra Itaosy Antananarivo atsimondrano. Azo ambara fa mizotra ho amin’ny fanovana hizorana amin’ny fampandrosoana ny eo anivon’ny Fokontany Andranonahoatra Itaosy, Antananarivo atsimondrano. “Ny miasa miaraka tokoa no fahombiazana”.


