PRINTSY ANDRY RODRIGUE : Olon'ny fahalalana sy ny fahendrena nentim-paharazana, siansa ary ny lalàna

Iray amin’ireo Malagasy nandalina sy nikaroka ary miezaka mandrakariva ny hampiara-dalana ny fahendrena sy ireo fahalalana nentim-paharazana amin’ny Siansa sy ny Lalàna ny Printsy Rakotoarisoa Andry Rodrigue mba ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Tsy sarotra ho an’i Printsy Andry Rodrigue ny nanatanteraka izany noho izy “Mpahay zavam-panahy”, “Mpahay soratra” ary “Mpahay Siansa momba ny atidoha”. Amin’ny maha “Mpahay zavam-panahy” ahy, hoy, ny Printsy Andry Rodrigue dia nametrahan’ireo teo aloha adidy mavesatra aho ho amin’ny fampanjakana ny Soa iombonana ialana amin’ny fitiavan-tena diso tafahoatra miteraka fahantrana amin’ny endrika marolafy aho Manana fahaizana amin’ny famahavahana ireo zavamiafina raiketin’ireo soratra fahiny ny lehilahy. Voafehiny ihany koa ny siansa momba ny atidoha izay ahafahany mamaha ny olan’ny fahatanterahan’ny faniriana. Manana fahalalana amin’ny fandinihana sy famakafakana lalina ireo didy aman-dalana ny Printsy Andry Rodrigue. Ity farany izay an-dalana ho amin’ny famoahana boky natao hitondra fanazavana marim-pototra miainga amin’ireo Lalàna misy sy manan-kery eto amin’ny tany sy ny Firenena manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny izy.

Saropiaro amin’ny fanajana ireo Soatoavina malagasy ny Printsy Andry Rodrigue. Nomarihany hatrany fa azo atao soa aman-tsara ny mampiara-dalana ny fahalalana sy ny fahendrena nolovaina tamin’ireo Razambe sy ny siansa. Ireo rehetra ireo ampiharina anatin’ny fanarahana ny Didy aman-dalana. Ity farany izay nomarihany fa maro amin’izy ireny no efa ilam-panavaozana hanaraka ny vanimpotoana iainana ankehitriny.

Malagasy iray afaka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanovana hizorana ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Printsy Andry Rodrigue. Nanome toky rahateo ny lehilahy fa vonona ny hampiasa ny pitik’afom-pahalalana kely ananany avy amin-Janahary ho amin’ny fikatsahana ilay Soa iombonana. Olon’ny serasera miavaka amin’ ilay haitarika miantraika ary manana ilay toetra mijery amin’ny antsipiriany rahateo ny lehilahy. Maro amin’ireo mpiray tanindrazana aminy no efa nisitraka Vahaolana nahomby raha tojo olana saro-bahana mpahazo ny Manam-panahy. Tsy lany Olomanga sy manam-pahendrena ombam-pahaizana ary manam-panahy tokoa i Madagasikara. “Tsy adidiko Izaho samy irery fa Adidiko Izaho sy Ianareo” hoy ny Ombalahibemaso, Mpanjaka nanam-pahalalana sy nitoeran’ny fahendrena teto an-kibon’Imerina. Inona no andrasana tsy hamondronana ny hery ho amin’ny fikatsahana ilay Soa iombonana ?

Vous aimerez aussi