AMPASINDAVA : Tsy manaiky ny fitrandrahana "terres rares" ny mponina

Fiarahamonim-pirenena DIANA

Niray feo ny mponina ao Ampasindava sy ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny faritra DIANA mba haneho ny fandavany tanteraka ny fitrandrahana “terres rares” ao an-toerana. Manao izao fitarainana izao izy ireo taorian’ny voka-dratsy maro efa nateraky ny asa fikarohana nataon’ireo orinasa nifandimby nanomboka ny taona 2010. Manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana sy ny olom-pirenena rehetra izy ireo mba hanafoanana tanteraka io tetikasa io ho fiarovana ny tontolo iainana, ny fambolena, ary ny hoavin’ny taranaka fara mandimby.

"ANJOMARAN'NY FITIAVANA TOAMASINA" - "STK TIA ANDRAISORO" - RFF AMPARIBE" : Hiray sehatra anatin'ny "Asandrato"

Ny Antoko mpihira Anjomaran'ny fitiavana FJKM trano vato Toamasina

Ho fankalazana ny faha dimampolo taonan’ny STK Tia Andraisoro Kristy famonjena sy ny fanamarihana ny faha dimy ambiny telopolo taona namoronan-dRazafindrazaka Handrisoa hira fiderana. Ity farany izay “Chef de chœur” eo anivon’ny Antoko mpihira Anjomaran’ny fitiavana FJKM trano vato fitiavana Toamasina ary fanamarihana ny jobily volafotsy faha dimy ambiny roampolo taona nijoroan’ny RFF FJKM Amparibe famonjena.

RADERANIRINA SENDRISON DANIELA - ANTOKO FY-M : "Ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena madio aloha vao fikitihana ny Lalam-panorenana raha ilaina..."

Raderanirina Sendrison Daniela

Hentitra ny fanehoan-kevitra nentin’ny filohan’ny Antoko politika Fy-M Raderanirina Sendrison Daniela manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. “Ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena lavitry ny hosoka no tokony hilofosana malaky vao miroso ho amin’ny fikitihana ny Lalam-panorenana isika raha tena ilaina ny fanaovana izany” hoy izy.

DEPIOTE NAINA - BORIBORINTANY FAHATELO : Nanatanteraka didimpoitra faobe

Ny Solombavambahoaka Naina (akanjo fotsy) sy Raharimanana Fanja Myriam mpiara miasa aminy nandritra ny Didimpoitra faobe.

126 no isan’ireo zazalahy nisitraka ny didimpoitra faobe maimaimpoana, notanterahan’ny Solombavambahoaka Ramboarivelo Andrianantenaina Jocelyn Willy “Depiote NAINA” ao amin’ny Boriborintany fahatelo sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatanterahana izany ny “assistante parlementaire” Fanja Myriam Raharimanana, ny Sabotsy 25 jolay dila teo.

TARIKA "ANDON'NY NATIORA" : Mitory ny filazantsara an-kira...

Ny tarika "Andon'ny natiora" mampiara-dalana hatrany ny mahasoa sy ny mahafinaritra.

… sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho (Korintiana 14 : 15 b). Io no teny filamatra ho an’ny tarika”Andon’ny natiora” izay nijoro ny taona efatra ambinifolo sy roarivo tao Fort-Dauphin. “Andon’ny natiora” anarana nosafidianay, hoy, i Tovo mpandrindra ankapobeny ny tarika entina ilazana fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny famonjena fanahin’Olombelona tsy ankanavaka.