SEKOLY ANGLIKANINA : Manana rafitra mazava, miroso hatrany amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana

Ny sekoly Anglikanina Saint Jean Ambohimangakely, efapolo taona nanabeazana.

“Finoana, Fahendrena, Fahalalana” Io no teny filamatra ijoroan’ny Sekoly Anglikanina eto Madagasikara. Ankehitriny, manodidina ny fitompolo mahery ny sekoly Anglikanina miely patrana manerana ny Nosy ankehitriny. Nomarihan’i Raharilala Fleurot A Tale nasionalin’ny sekoly Anglikanina eto Madagasikara fa rafitra iray anatin’ny Fiangonana Anglikanina eto Madagasikara ny sekoly izay manana ny foibeny eny Ambohimanoro Antananarivo.

VOVONANA TANORA ARON'NY FANAVAOZANA NA NY TAFA : Fanovana rafitra amin’ny alalan’ny Fikaonandoham-pirenena

Vovonana Tanora Aron'ny FAnavaozana

Fanovana rafitra amin’ny alalan’ny Fikaonandoham-pirenena no napetraka fa tsy ny mifanohitra amin’izay na ny fanovana rafitra mialoha ny fotoana, io no nivoitra nandritry ny fampahafantaran’ny Vovonana Tanora Aron’ny FAnavaozana na ny TAFA, ny fijoroan’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 17 aprily 2026, teny Anosizato Est I.