RADERANIRINA SENDRISON D. – ANTOKO FY-M : “Ny tsy fanarahan-dalana sy ny kolikoly no tsy mampandroso ny Firenena”…

Raderanirina Sendrison Daniela

“Nofy sy fampandriana adrisa ny hisian’ny fandrosoan’i Madagasikara raha mbola ny tsy fanarahan-dalana sy ny fanaovana kolikoly no toy ny rivotra iainana eto amintsika” hoy Raderanirina Sendrison Daniela. Ity farany izay filoha mpanorina ny Antoko Fy-M na ny “Fandrosoa Faritsy Iaby ho an’i Madagasikara”. Nomarihany hatrany fa tsy ny Vahoaka ihany no tokony hanara-dalana sy hiala amin’ny fanaovana kolikoly fa eo indrindra koa ireo Mpitondra.

FIFANINANANA AM-BISIKILETA TENY AMIN'NY RN1 : Nanomboka teny Ampitatafika ka hatrany Fonenana

Fifaninanana am-bisikileta teny amin'ny RN1

Toy izao ny vokatra azo tamin’ilay fifaninanana ara-panatanjahan-tena momba ny bisikileta izay nokarakarain’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” na ny LCYA, teny amin’ny Lalam-pirenena Voalohany (RN1), ny alahady 12 aprily 2016. Teo amin’ny “Piste Féminine” dia nibata ny amboara i WINNIE. Faharoa i NICOLE. Fahatelo i JULIE. Teo amin’ny “Cadet” dia nitana ny laharana Voalohany i PATRICK. Faharoa i NANTENAINA. Fahatelo i TONY…

TRANO SARY AMBOHIDAHY : Tsangam-baton’ny fahazato taonani Clarisse R.

Fitokanana Efitrano Clarisse Ratsifandrihamanana

Vory lanona teny amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ny sabotsy 11 aprily 2026, ireo Raiamandreny andrarezin’ny literatiora sy ny kolontsaina malagasy sy ireo Akademisiana ary ny avy amin’ny HAVATSA-UPEM niampy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Antony dia noho ny fanomezana voninahitra, ny fankalazana ny fahazato taona nahaterahan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana.

FITANTANANA NY RAHARAHAM-PIRENENA : Vonona handray andraikitra ny Vovonana TAFF MADA

Vovonana TAFF MADA

Ny fijoroan’ny Tantsoroka Antoky ny Fanavaozana sy Fampandrosoana an’i Madagasikara na ny TAFF MADA, tamin’ny fomba ofisialy, no fampahafantarana notontosain’ity Vovonana ity, ny sabotsy 11 aprily 2026, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Ity Vovonana izay tarihin’ny filoha mpanorina azy dia ny Dr Rasolovoninjatovo Mady ity dia hivondronan’ireo Avara-pianarana manam-pahaizana sy Teknisianina Malagasy nahavita fianarana ambony kanefa tsy mahita asa.