AMI 2026 : Hanosehana ireo talenta vao misondrotra...

Ny andiany 2026 amin’ny hetsika “African Music Icons” na ny AMI eto Madagasikara no karakarain’ny “Agence Événementielle Lamako Events”, amin’ity taona ity. Hetsika izay entina hanosehana ireo talenta vao misondrotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenenan’ny indostrian’ny mozika aty amin’ny kontinanta Afrikanina. Hanomezana lanja ihany koa ny kolontsaina Malagasy. Fepetra hahafahan’ny mpandray anjara amin’ny hetsika ny famokarany hira na raki-kira tao anatin’ny volana janoary 2024 ka hatramin’ny volana martsa 2026. Ireo mpanakanto sy ireo mpamokatra raki-kira rehetra dia afaka mandray anjara avokoa amin’izao andiany voalohany ho an’i Madagasikara izao. Ny mpandray anjara rehetra dia mila mandefa ny mombamomba azy (biographie) sary matihanina na am-perinasa, manome rohy “YouTube” ahitana ireo sangan’asany toy ny horonan-tsary (clip na hira audio). Miisa 19 ireo Sokajy hahafahana mandray anjara sy ho sivanina amin’ity AMI 2026 ity. Firenena miisa 54 no miara-misalahy amin’ny AMI amin’izany. Izy ireo izay samy hanandratra avo ny kanto ao aminy. Ho an’i Madagasikara dia aty amin’ny faritra Atsinanan’ny Afrika no sokajy misy azy. Ny fisoratana anarana sy ny fandefasana ny antontan-taratasy dia atao mivantana ao amin’ny tranokala ofisialin’ny AMI (www.afrimic.com). Fe-potoana andefasana ny fandraisana anjara dia hatramin’ny 30 aprily 2026. Ny “Agence événementielle Lamako Event” no voatendren’ny “Mshale Entertainement” izay mpikarakara any Afrika Atsimo, tamin’ny fomba ofisialy, hitarika ny AMI eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi