MPANAKANTO "ONEL JET" : Mivoy ny "Afro béat"...

Velonjara Jet-lee, io no anarana fenon’ilay mpanakanto zanaky Toamasina mitondra ny solonarana hoe : “Onel jet” anatin’ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Ny fivoizana ny “Afro béat” no ifotoran’ny tovolahy.

Onel jet 1Nandritra ny taom-pahazazany no efa liana tamin’ny famoronana tononkalo miady rima i Onel jet. Ireo trangam-piarahamonina no akora fototra entin’i Onel jet manefy ireo tononkirany. Misy hafatra mafonja ny sanganasako, hoy izy. Ilay vazo “Tsy agnenig’ôta” no nahafantarana ity Mpanakanto ity. Efa manangasanga any koa ny famoahan’i Onel jet ny “Fisarahana” Ankoatry ny fiangaliana ny”Afro béat” miezaka ny mamolaka ny gadona mihetsika”Tropikaly” ihany koa i Onel jet. Ny hanome fahafaham-po ireo sokajin-taona rehetra no tanjona amin’ny firosoana amin’ny famolahana bankira hafa hoy izy. Manan-talenta amin’ny famoronana tononkira i Onel jet.

Misokatra malalaka ho amin’ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fikirakirana ny mozika ny tovolahy. Nomarihany fa vonona ny hiroso lalina amin’ny fanaovana ny mozika i Onel jet fa tsy andrakandrana no ataony. Naneho ny fahavononany ny hivoy ireo gadon-kira nentim-paharazana mampiavaka an’ny Toamasina ihany koa i Onel jet na i Velonjara Jet-lee.

Vous aimerez aussi