FIFANINANANA AM-BISIKILETA TENY AMIN'NY RN1 : Nanomboka teny Ampitatafika ka hatrany Fonenana

Toy izao ny vokatra azo tamin’ilay fifaninanana ara-panatanjahan-tena momba ny bisikileta izay nokarakarain’ny “Ligue Cyclisme Analamanga” na ny LCYA, teny amin’ny Lalam-pirenena Voalohany (RN1), ny alahady 12 aprily 2016. Teo amin’ny “Piste Féminine” dia nibata ny amboara i WINNIE. Faharoa i NICOLE. Fahatelo i JULIE. Teo amin’ny “Cadet” dia nitana ny laharana Voalohany i PATRICK. Faharoa i NANTENAINA. Fahatelo i TONY. Teo amin’ny “Taxi Beka” dia Voalohany i MAMITIANA. Faharoa i FANOMEZANA. Fahatelo i RICHARD. Teo amin’ny sokajy “Vétéran” dia Voalohany i CÉLESTIN. Faharoa i JEAN. Nahazo ny “Coup de cœur” i FINARITRA. Teo amin’ny “VSR” dia Voalohany i TAFITASOA. Faharoa i ONJA. Fahatelo i PARANY. Teo amin’ny “Piste Elite” dia voohany i HOULDER. Faharoa i ARMAND. Fahatelo i RADO. Ny “Ligue Cyclisme Analamanga” no nahatontosa izao fifaninanana ara-panatanjahan-tena, teny amin’ny RN1 izao, dia noho ny fandraisana anjaran’ireo lahy sy vavy, kely sy lehibe mpitia ary mpankafy bisikileta. Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny fisoratana anarana ka nofaranana tamin’ny 8ora 45 mn. Tamin’ny 9 ora maraina tsy diso ny fiaingana teny Ampitatafika izay nahazo ny teny Fonenana. Ar 10 000 ny fandraisana anjara tamin’ity lalao ity. Nankasitraka ny mpandray anjara sy ny mpanotrona rehetra, tamin’ity fifaninanana, teny amin’ny Lalam-pirenena Voalohany ity, ny “Ligue Cyclisme Analamanga”. Manome fotoana ny rehetra indray ny tompon’andraikitra mpikarakara dia ny “LCYA”, ny alahady 26 aprily 2026, eny Ambohitrimanjaka, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi