Vory lanona teny amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ny sabotsy 11 aprily 2026, ireo Raiamandreny andrarezin’ny literatiora sy ny kolontsaina malagasy sy ireo Akademisiana ary ny avy amin’ny HAVATSA-UPEM niampy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Antony dia noho ny fanomezana voninahitra, ny fankalazana ny fahazato taona nahaterahan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Fotoana izay notronin’ireo taranaka sy fianakaviana izay vavolombelon’ny tantaram-piainan’ity mpanoratra sady poeta ity ihany koa. Ny efitrano lehibe ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy no notokanana tamin’io fotoana io mba ho tsangambaton’ny fahazato taona nahaterahan”ity andrarezin’ny literatiora sy ny fanabeazana ary ny fampiroboroboana ny teny malagasy ity. Maro amin’ireo asa sorany sy ny tantaram-piainany rahateo no hita any anaty fandaharam-pampianarana sy ireo laza adina. Ny tantara no tetezana mampifandray amin’ny lasa, haren-tsaim-pirenena, vavolombelon’ny fotoana tsy azo hadinoina nolalovan’ny firenena, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa. Tokony hokajiana amin’ny alalan’ny fampahafantarana azy ny taranaka noho izany izy ireny. Izany no nametrahana ny fitsidihana ny fampirantiana sary sy ny famakiam-boky ho fanovozam-pahalalana ho maimaim-poana an’ny olom-pirenena rehetra. Tsy hijanona eo amin’ny fitokanana ny fankalazana fa hotohizana amin’ny fampirantiana ny sorapiainana sy ny asa soratr’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Hanomboka ny 13 aprily 2026 izany izay azon’ny daholobe tsidihina. Maherin’ny telopolo ny isan’ireo boky nosoratany. Sanganasa maherin’ny roapolo no nataony. Niavaka tamin’izany ny boky miisa fito izay nahazoany loka tamin’ny fifaninanana maro. Izy ireo izay nanehoany ny hakanton’ny teny sy ny tanindrazana malagasy, ny fitiavan-janaka, ny trangam-piarahamonina, ny zavaboary, tontolon’ny finoana izay nitondrany avo ny teny malagasy. Teraka tany Fenoarivo Atsinanana ny Alahady 5 Desambra 1926 i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Nodimandry, ny Alahady 28 Jona 1987, teny amin’ny fonenany teny Betongolo Antananarivo.


