FITANTANANA NY RAHARAHAM-PIRENENA : Vonona handray andraikitra ny Vovonana TAFF MADA

Ny fijoroan’ny Tantsoroka Antoky ny Fanavaozana sy Fampandrosoana an’i Madagasikara na ny TAFF MADA, tamin’ny fomba ofisialy, no fampahafantarana notontosain’ity Vovonana ity, ny sabotsy 11 aprily 2026, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Ity Vovonana izay tarihin’ny filoha mpanorina azy dia ny Dr Rasolovoninjatovo Mady ity dia hivondronan’ireo Avara-pianarana manam-pahaizana sy Teknisianina Malagasy nahavita fianarana ambony kanefa tsy mahita asa.

Avara-pianarana izay nandranto fahaizana amam-pahalalana momba ny fitsaboana, fizahantany, fambolena, kolontsaina, hay fiaraha-monina, fitantanana, sy ireo avy amin’ny Lalam-piofanana maro samihafa teny amin’ny Oniversite sy ny Sekoly Ambony. Izany indrindra no mahavonona ny Vovonana TAFF MADA handray andraikitra amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Hanolotra vahaolana sy hanolo-tanana ny fitondram-panjakana Fanavaozana izay mijoro ankehitriny mba hahafahana mampandroso ny firenena araka izany no antom-pijoroan’ny TAFF MADA. Antony hanehoan’izy ireo fahavononana amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra sy fitondrana fahaiza-manao ary traikefa. “Saina no hery, Saina no ho avy” no teny filamatry ny Vovonana TAFF MADA. Mampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny avara-pianarana amin’ny fanavaozana sy fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny asa fanatanterahana araka izany ny Vovonana.

Misokatra ho an’ny Olom-pirenena rehetra izay vonona ny hanatevin-daharana azy ny TAFF MADA na efa miparitaka manerana izao tontolo izao aza. Indrindra fa ireo izay vonona ny hanatanteraka ny vinan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël.

Vous aimerez aussi