MISOKATRA NY FISORATANA ANARANA ETO MADAGASIKARA HO AN'NY “PRIX PIERRE CASTEL 2026” : Hahazoana tohana hatramin’ny 35 000 €

Mikendry ny fampiroboroboana ny fanavaozana aty amin’ny kaontinanta afrikanina sy fanohanana ireo mpandraharaha manana tetikasa matanjaka, izay miasa amin’ny fanatsarana maharitra ny rafitra ara-tsakafo, no antom-pisian’ny “Prix Pierre Castel”. Mampahafantatra ny fisokafan’ity “Prix Pierre Castel” ity ho an’ny andiany 2026 eto Madagasikara, araka izany, ny STAR sy ny “Fonds de dotation Pierre Castel” izay miara-misalahy amin’izany. Izy ity izay fandaharanasa iraisan’i Afrika. Fifaninanana misokatra ho an’ireo tetikasa mitondra zava-baovao sy tompon’andraikitra, ny “Prix Pierre Castel 2026” izay misokatra ho an’ireo mpandraharaha malagasy. Mpandraharaha malagasy izay manana tetikasa tia manavao sy mamorona sy mahomby ary misy fiantraikany lehibe amin’ireo sehatra ny Fambolena, sy fanodinana sakafo sy ny Angovo azo havaozina ary ny Teknolojia vaovao sy fanavaozana. Manasongadina ny Toe-karena mihodina ary Fandraharahana misy fiantraikany ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana araka izany no andrasana amin’ny mpandray anjara. Izy ireo izay feno 18 ka hatramin’ny 45 taona. Avy amin’ireto firenena ireto ary mipetraka any Algérie, Bénin, Burkina Faso, Cameroun, Côte d’Ivoire, Madagascar, République démocratique du Congo.

Mpanorina na mpiara-manorina orinasa mijoro ara-dalàna ary efa nisy nandritra ny roa taona farafahakeliny ilay orinasa.

Manana tetikasa entina mampandroso ary misy akony ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana azo refesina. Ireo no fepetra mila ananan’ireo mpandray anjara. Ny fisoratana anarana dia misokatra ny 1 aprily hatramin’ny 30 mey 2026. Amin’ny alalan’ny tranokala ofisialy https://candidature-prix-pierre-castel.org.

Ireo mpandresy dia hahazo fanohanana ara-bola sy fanampiana stratejika : 25 000 € ho an’ny mpandresy eto Madagasikara. 35 000 € ho an’ny mpandresy panafrikana. Fandaharanasa : “mentorat”, “coaching” ary fanofanana. Fidirana ao anatin’ny tambajotra panafrikana misy mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka, izay manampy amin’ny fampahafantarana sy fanitarana ny orinasa no tombontsoa hositrahan’izy ireo. Ny “Prix Pierre Castel” dia fifaninanana panafrikana lehibe natsangan’ny “Fonds de dotation Pierre Castel” miaraka amin’ireo sampan’ny Groupe CASTEL aty Afrika. Hanasongadinana sy hanohanana ary hanomezana lanja ireo mpandraharaha mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana maharitra. Eto Madagasikara, ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny fandraisan’andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa STAR, izay manohana sy manome lanja ny famokarana eto an-toerana, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi