Hetsika ara-tsosialy faharoa notontosain’ny Vovonana MAFI-M na ny “Mijoro ho An’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara” taorian’ny fijoroany tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 18 martsa 2026, teny Antaninarenina, ny “Voin-kava-mahatratra” tamin’ireo mpianatra niharam-boina tamin’ilay fahamaizana, nitranga ny 29 Martsa 2026, teny Ankatso II, Bloc 5. Noho ny “court-circuit” no nahatonga ny haintrano tamin’ireto mpianatra miisa 35 izay very fananana ireto. Vary sy menaka ary “Macaroni” no anjara biriky nentin’ireto solontenan’ny MAFI-M ho an’ireto traboina ireto. Izy ireo izay efa nafindra toerana vonjimaika mba hahafahan’izy ireo manohy ny fianarany sy ny andavanandrom-piainany. ” Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana”, io no teny filamatry ny Vovonana MAFI-M ka izao nitondra fanampiana fanehoana firaisankina izao ireo solon’tenan’ny mpiara-miombon’antoka MAFI-M, ny sabotsy 11 aprily 2026. Nitarika izao asa sosialy ny filoha nasionalin’ny MAFI-M Behava Étienne.


