Navadika ho “Tolotanana ho an’i Honorat Fou Hehy” ilay fampisehoana “Mbola ho avy…” izay hotanterahan’i Erick Manana sy Jenny ary Feo Gasy izay hotronin’i Rado zanak’i Fafah Mahaleo, eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, ny alahady 12 aprily 2026. Manomboka amin’ny 2 ora 30 ny fampisehoana fa amin’ny 8ora maraina dia efa misy ny fivarotana tapakila eny an-toerana ankoatry ny teny amin’ny Super Music Analakely. Misy karazany maro ny tapakila azo jifaina amin’ity fampisehoana ity. Napetraky ny “Louvto Company” izay mpikarakara ny fampisehoana ny fiaraha-mientana. Anton’izao firaisankina amin’ny alalan’ny fifanohanana izao. I Honorat Fou Hehy izay zoky sady namana no mpiara-miasa akaiky eo amin’ny tontolon’ny kanto, hoy ny fanazavana voaray. Ny tombony rehetra azo amin’ity fampisehoana ity dia hanampiana azy amin’ny fitsaboana ny aretiny. Anisan’ireo miara-mientana amin’izao hetsika izao ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Eo ihany koa ny zava-pisotro THB vokarin’ny Star ary Ny HAVANA.


