ENGA ANIE NY MALAGASY ANKEHITRINY TSY HAMADIKA IREO MARITIORA TAMIN’NY TOLONA HO AN’NY FAHALEOVANTENA

Mpitolona 29 Mars 1947

Manoloana ny fiantsoana tolo-kevitra nateraky ny fifampidinihana nasionaly (concertation nationale) efa antomotra eto Madagasikara, dia nanapa-kevitra ny fivoriamben’ny Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy na Collectif TANY – ny 29 marsa 2026, fa hizara lohahevitra telo izay heveriny ho fototra irosoana amin’ny tena fahaleovantenan’ny firenena.

STAR TOUR ANTSIRABE 2026 : Nafana ny ambiance, afa-po ny rehetra

Star Tour Antsirabe 2026

Na teo aza ny olan’ny herinaratra nisy tany amin’ny tanànan’Antsirabe nandritra ny fetin’ny Paska dia tsy nampisy olana ny fety Star Tour Antsirabe izay nokarakarain’ny Star izany. Nampiasa “Groupe électrogène” goavana ny Star mba hamatsiana jiro sy ny feo ary ireo fitaovana rehetra nampiasaina mba hampizotra antsakany sy andavany ny fandaharam-potoana. Fahombiazana tanteraka araka izany no hita tany an-toerana nandritry ny telo andro.