Ny Alahady 29 Martsa dila teo, tao amin’ny “bet kneset” trano fivavahan’ireo manaraka ny Finoana Hebreo notsrym, etsy, Ankasina, no nankalazan’izy ireo ny “Taom-baovao Hebreo” tafiditra anatin’ny volana Habib. Tsiahivina fa manaraka ny tsingerina ara-pambolena ny alimanakan’izy ireo izay mifanaraka amin’ny voarakitra anatin’ny Torah.
Catégorie : Samihafa
"FORUM DES ÉNERGIES SOLAIRES" : Ny 10 sy ny 11 aprily ho avy izao eny Ankorondrano
Hotanterahina ny 10 sy 11 aprily 2026, eny amin’ny QG tanora Ankorondrano, ny hetsika “Forum des énergies solaires”, izay karakarain’ny ” FabLab EnR-out”. Hetsika izay entina hiseharana amin’ny resaka angovo havaozina.
GROUPE PROSH'ELY - KAIAMBA TENA IZY : Hanolotra "Cabaret nostalgique"
Ny alin’ny Zoma 03 aprily hoavy izao, eny amin’ny Espace Jerosalema Imeritsiatosika, no hanolotra ny “Cabaret nostalgique” ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy. Ny “Apponame studio” no miketrika ny hetsika. Nomarihan’i Apponame fa hovazoina eny an-toerana ireo hira nanamarika ny taona enimpolo, fitompolo, valompolo ary ny sivifolon’ireo Mpanakanto malagasy sy vahiny.
ANTOKO MONIMA : Efa mipetraka ny fanovana fa mankaiza ny lalana aleha...
Na inona na inona asan’ny Governemanta rehefa tsy mazava ny lalana aleha dia ho sahirana ilay Governemanta. Tsilovy ny lalana aleha mba hazava amin’ny rehetra ny hizorana manomboka izao. Efa mipetraka ny fanovana notakiana fa ilay lalana izorana ankehitriny mihitsy no mankaiza? Izay no andrasan’ny olom-pirenena indrindra fa ny tanora.
"STAR TOUR 2026" : Any Antsirabe ny 4 ka hatramin'ny 6 aprily
Hanomboka ny 4 aprily ka hatramin’ny 6 aprily 2026, eo anoloan’ny Gara Antsirabe, ny “Star Tour 2026”, amin’ity taona ity. Hampiavaka izany ny fampisehoan’ireo mpanakanto miisa 6 izay hanafana ny lanonana. Anisan’izany i Lion Hill, LJo, Jack Dad, Samoela sy i Arione Joy ary ny tarika Zay.
"SALON DU CHOCOLAT ET DE LA GOURMANDISE 2026" : Hanomezan-danja ny vokatra eto Madagasikara
Ny Sabotsy 28 martsa 2026, no hifanome fotoana amin’ny “Wednesday Morning Group” na ny WMG, en Anosy, indray ireo mpankafy ” chocolat” sy ny manodidina izany. Ireo sakafo vokarina amin’ny “chocolat” araka izany no hampirantian’ireo mpandray anjara miisa 45 mandritra io fotoana io.
"TS'ART KOLO" : Mampiasa miaraka ny zavamaniry sy ny otra ho fanasitranana
Ny fampiasana miaraka ireo zavamaniry misy eto Madagasikara amin’ny otra ho fanasitranana aretina maro. Io no mampiavaka ny tolotra fanasitranana omen’ny”Ts’art kolo”. Ity farany izay manana ny foibe-toerany, etsy, amin’ny Esplanade Analakely “box” laharana faha folo, ampitan’ny trano fivarotana “Goldenrama”.
SENDIKAN'NY MPAMBOLY VARY ETO MADAGASIKARA : Velon-taraina noho ny fidinan'ny vidim-bary
Velon- taraina ankehitriny ny Sendikan’ny mpamboly vary eto Madagasikara, fa midina ambany dia ambany ny vidin’ny vary ka mahafaty antoka tanteraka ireo tantsaha mpamokatra izany. Anisany mampidina ambany dia ambany ny vidim-bary vokarina eto an-toerana ny vary nohafarana avy ivelany.
FIKAMBANAN'NY ORINASA MALAGASY NA NY FOM : Hanolo-tanana ny orinasa malagasy
Antom-pijoroan’ny Fikambanan’ny orinasa Malagasy na ny FOM, ny hanolo-tanana ireo orinasa malagasy madinika sy salantsalany mba ho amin’ny tombontsoan’izy ireo. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miatrika ny lafiny ara-toekarena indrindra fa ny hipakan’izany eo amin’ny lafiny fampandrosoana.
TAMBABEN'NY MPITOLONA : "Mitaky fanovana rafitra sy olona ny fanavaozana"
“Fanavaozana sy ny fanarenana ireo tsy mety rehetra izay mitaky fanovana olona sy rafitra ary fitantanana mangarahara” no nasongadin’ny Tambaben’ny Mpitolona, tamin’ny fanambaran’izy ireo, ny alarobia 17 martsa 2026, teny Andrefanambohijanahary.
