"TS'ART KOLO" : Mampiasa miaraka ny zavamaniry sy ny otra ho fanasitranana

Ny fampiasana miaraka ireo zavamaniry misy eto Madagasikara amin’ny otra ho fanasitranana aretina maro. Io no mampiavaka ny tolotra fanasitranana omen’ny”Ts’art kolo”. Ity farany izay manana ny foibe-toerany, etsy, amin’ny Esplanade Analakely “box” laharana faha folo, ampitan’ny trano fivarotana “Goldenrama”.

Nomarihan’i Aina, izay angady nananana sy vy nahitana ny “Ts’art kolo” fa zato isan-jato voajanahary avokoa ireo akora fototra entina mamokatra ireo fanafody. Tsy misy ahiana, araka izany, ny mety ho voka dratsin’ny fampiasana azy. Anisan’ny manafaingana ny fanasitranana, hoy, hatrany i Aina ny fanorana ny faritra amin’ny vatana izay manentana sy mampavitrika kokoa ny fomba fiasan’ireo taova. Tsy misalasala rahateo ireo tomponandraikitra eo anivon’ny “Ts’art kolo”. Manoro amin’ny antsipiriany ny fomba fanorana amin’ireo karazan’aretina.

Ankoatry ny fitsaboana ireo karazan’aretina maro toy ny arthrose, tosidra avo, prostate, calcul rénal, vavony, aty, sinusite, diabète, sns. Manana ireo vokatra entina mikolo ny endrika amam-bika toy ny tarehy sy ny volo ihany koa ny “Ts’art kolo” Nomarihan’i Aina hatrany nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa ankoatry ny fampiasana ireo zavamaniry sy ny otra dia manankina hatrany ny asa fitsaboana ataony amin’Andriamanitra ny lehilahy. Misy hatrany ny “tolo-tsaina” azo avy amin’izany izay ampiasaina ho amin’ny fanatanterahana ny asa fanasitranana atao, hoy, hatrany, i Aina. Azo lazaina ho takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy ihany koa ny saran’ireo fanafody ao amin’ny “Ts’art kolo” Ankoatry ny etsy Analakely efa amperinasa ihany koa ny “Ts’art kolo” ho an’Antsirabe, Fianarantsoa, Mahajanga. Tsy ho ela ny any amin’ny faritra atsinanana. Ny laharana 034 82 977 47 sy ny 033 71 486 87 no hahafahana mifandray amin’ny “Ts’art kolo” Pejy facebook “Ts’art kolo”.

Ampahany amin'ireo fanafody vokarin'ny "Ts'art kolo"
Ampahany amin’ireo fanafody vokarin’ny “Ts’art kolo”.

Vous aimerez aussi