Vontoatin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notontosain’ireo fikambanana “Alaotra Mangoro Iray Feo” izay nahitana ny fikambanana KMT, FIAMIS, GEN Z TANTSAHA sns… avy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny fiantsoana ny filoha, kolonely Randrianirina Michael, mba hitsidika ny faritra Alaotra Mangoro.
Catégorie : Samihafa
VOVONANA MAFI-M : Manohana ny ezaky ny fitondram-panjakana
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 18 martsa 2026, teny Antaninarenina, ny fijoroan’ny Vovonana Mijoro ho An’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara na ny MAFI-M. Tanjon’ny Vovonana ny hanamafy orina ny fitantanana madio sy mangarahara mba hampisy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka.
ZAVA-PISOTRO VAOVAON’NY STAR : Efa misy amin’ny fonosana "canette"
Namoaka zava-pisotro vaovao amin’ny fonosana “canette” ny Star. Tanjona ny hiarovana hatrany ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Eo ihany koa ny hahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatra ireo dia eo ny ezaka fanatsarana sy ny fanavaozana entin’ny orinasa dia ny famaliana ny hetahetan’ny mpanjifa izay mitady zava-pisotro mora entina sy azo sotroina na aiza na aiza.
VEHIVAVY MPIASAN’NY STAR : Nanolo-tanana ny hopitaly HUJRA
Fanolorana kidoro izay natokana ho ampiasain’ny hopitaly HUJRA Ampefiloha sy fanolorana “EAU VIVE” ho an’ireo marary sy ireo mpitsabo ao amin’ity hopitaly ity no nentin’ny vehivavy mpiasan’ny STAR, nankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, izay marihana isaky ny 8 martsa.
VONDRON'NY MPITOLONA ETO MADAGASIKARA : Tokony ho Mpitolona no ho Praiminisitra
Vontoatin’ny fanambaran’ireo Vondron’ny Mpitolona eto Madagasikara, ny alakamisy lasa teo, teny Mahamasina, ny filazana fa mba tokony ho Mpitolona sy mahafantatra ny atao hoe tolona ary ny antony nitolomana no apetraka ho Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fa tsy ho olona izay tsy hahavaly izany fitakiana izany.
BNGRC : Nanao tatitra
Tatitra mahakasika ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI, tany Toamasina, no vontoatin’ny fampiantsoan’ny “Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes” na ny BNGRC, ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben-toerany, ny alakamisy 12 martsa 2026. Tatitra izay niompana tamin’ny fotoana niasan’izy ireo tany an-toerana nandritry ny 15 andro.
VOVONANA LEHIBE TAFARAI : Nanolotra fanampiana an'i Mongo
Tolo-tanana nisantaran’ny Vovonana Lehibe Tambajotra ny Fanavaozana Aro-Riaka amin’ny Andraikitra Iombonana na ny TAFARAI, ny hetsika ara-tsosialin’izy ireo, ny alarobia 11 martsa 2026, ny fanomezana fanampiana, ny mpilalao baolina lavalava avy eny Ankadifosty, i Mongo, izay niditra hopitaly noho ny dona nahazo azy…
FIKAMBANANA MAAMMI : Hanolo-tanana ny traboina any Toamasina
“Andao ampio re izy”, io no lohahevitry ny fampisehoana ara-pilazantsara hotanterahan’ireo fikambanana Mpanakanto Ara-pilazantsara sy Antokom-pihira Mitambatra na ny MAAMMI, mba hanampiana ireo traboina any Toamasina, noho ny fandalovan’ny rivo-doza “Gezani”.
FIKAMBANANA "WMG" : Namoaka ny andiany "Lafatra"
Navoakan’ny fikambanana “Wednesday Morning Group”, na ny WMG, tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny foiben-toerany Ambatoroka, ny alarobia 11 martsa 2026, ireo mpiofana momba ny “digitale”, “informatique” sy ny “crochet” ary ny zaitra rehefa avy niofana nandritry ny telo volana tao aminy. Ity andiany izay miisa 14 ity dia nampisalorana ny anarana hoe: “Lafatra”.
HOSODOKO : Mahay ny Malagasy
Fampirantiana fatratra. Izay no azo lazaina raha mijery sy mandinika ny asa voakalin’ireo mpanao hosodoko en amin’ny Galerie 6 Analakely. Milaza ny heviny ny Artista iray eto.
