Nantenaina hanala fahasahiranan’ny mponina kanjo navelany teo ny asa. Ao Antsahakely-Besarety no nandraisan’ity olomboafidy ity andraikitra hanatsarana ny tanàna. Tsy dia goavana be akory ny asa fa mametraka rarivato mba hivezivezen’ny vahoaka sy ny fiara. Kanefa dia tsy vita ilay asa ary tsy hita intsony ny mpanao làlana.
Catégorie : Samihafa
KFIM NIHAONA TAMIN’NY SADC : Nanamafy ny hisian'ny dinika eo amin'ny samy Malagasy
Ny hisian’ny dinika eo amin’ny samy Malagasy dia anisany tokony himasoana, io no nohantintranterin’ny Filohan’ny KFIM, Rabevahiny Elia, raha nihaona tamin’ny SADC, izy ireo.
FIKAONAN-DOHAM-PIRENEN'NY TANORA : Hotanterahina eny Ivato
Ny tanora rehetra eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina dia entanina mba handray anjara, amin’ilay “Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora”, izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, eny amin’ny CCI Ivato, ny Alarobia 11 martsa 2026.
"ALLIANCE AIKA" : Nampahafantatra ny vokatry ny "COP30"
Ny atrikasa nasionaly fampahafantarana ny vokatry ny fandraisana anjaran’ny tanora malagasy tamin’ny “COP30”, tany Belem, no hetsika notontosain’ny “Alliance Aika”, teny Ankerana.
MPIASA SY SENDIKAN'NY MINAE : Miroso amin'ny fitokonana faobe
Miroso amin’ny fitokonana faobe ao anatin’ny 48 ora ireo mpiasa sy sendikan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana na ny MINAE, araka ny fampahafantarana notontosain’izy ireo, ny alatsinainy 9 martsa 2026, teny Ampandrianomby.
"IAIM ASSOCIATION" : Misehatra amin'ny fisahanana ny vehivavy sy ny sosialy
Ny vehivavy mba ho hijoro sy ho sahy handray andraikitra hampandrosoana ny firenena ny “Iray Avao Isika Malagasy Association” na ny IAIM Association. Antom-pijoroan’ny fikambanana ny hisehatra amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny fisahanana ny vehivavy.
ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ZON’NY VEHIVAVY : Nandray anjara tamin'ny diabe ny Vehivavy Apokalypsy
Hery iray entina mampandroso ny firenena ny vehivavy. Manana ny heviny ny vehivavy fa tsy miady fahefana amin’ny lehilahy. Mitaky ny zo tokony hositrahany ihany koa anefa vehivavy…
LALAO ARA-PANATANJAHANTENA "XXL SMATCHIN AO TSARA" : Ny 14 ka hatramin'ny 22 martsa 2026 eny Mahamasina
Hotanterahana eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny 14 ka hatramin’ny 22 martsa 2026, ny lalao ara-panatanjahantena “XXL Smatchin Ao Tsara”. Ity andiany faha-12 ity izay handraisan’ireo Sekoly Ambony sy Oniversite miisa 44 avy amin’ireo faritany 6 eto Madagasikara, anjara. Ahitana Ekipa miisa 43 avy amin’ny sokajy lehilahy ary miisa 18 avy amin’ny sokajy vehivavy.
« GEN Y MADAGASCAR OFISIALY » : Mitaky ny fanesorana sy ny fialan’ny Praiministra
Vontoatin’ny fanambaran’ny “GEN Y Madagascar Ofisialy”, nandritry ny fivoriam-ben’izy ireo, ny sabotsy 7 martsa 2026, teny Mahamasina, ny fitakiana ny fanesorana sy ny fialan’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, ao anatin’ny 72 ora.
FANALIKANA NY FILOHAN'NY FANAVAOZANA : Nampiaka-peo ny Zanak'androy
Nampiaka-peo ka mitaky ny handraisana fepetra ny pejy Facebook “Mada libre” ny Zanak’Androy. Ity pejy ity izay namoaka sary nanohatra ny Filohan’ny Fanavaozana, Michael Randrianirina amin’ny alika. Olobe eto amin’ny firenena izay Raiamandrenin’ny Malagasy ny Filohan’ny Fanavaozana ka nahoana no zimbazimbaina tahaka ireny izy sy ny maha olona azy.
