Taorian’ny “Fivoriana Tombana” notontosain’ny “Komity Miaro ny Tolona” na ny KMT izay niresahana ny dingana mahakasika ny “Fanavaozana ” dia nanambara izy ireo fa mitaky ny hisian’ny tondrozotran’ny Fanavaozana. Saro-piaro amin’ny fijoroan’izao “Fanjakana Fanavaozana ny Repoblika Malagasy” izao ny KMT hany ka miaro izany mafy.
Catégorie : Samihafa
FIZAKAMANANA SY NY HAITAO VAO : Fanoitran'ny Indostria
Tanjon’ilay “Fifaninanana nasionaly momba ny Fahitana vao” izay karakarain’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny (OMAPI), ny hanome aina vao, ireo voka-pikarohana eto Madagasikara.
FANKALAZANA NY FAHA-55 TAONA NY FMMB : "Fanarenana sy Fanavaozana ary Famoronana" no lohahevitra
Hankalaza ny faha-55 taona niorenany ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly na ny FMMB, amin’ity taona ity. Hanokafana izany amin’ny fomba ofisialy ny fanompoam-pivavahana izay hotanterahina, eny amin’ny Fiangonana FJKM Katedraly Analakely, ny 1 martsa 2026.
"LOUVTO COMPANY" : Manome fotoana ny mpankafy ny 1 sy 8 martsa 2026
Fampisehoana miisa roa no hatolotry ny “Louvto Company” amin’io volana martsa 2026 io, hatramin’izao. Voalohany amin’izany, ny fampiaraham-peon’ny mpanakanto miisa roa, i Denise sy i Shyn…
ORINASA MALAGASY : Hampifandraisina amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny Fandaharanasa “STP”
Ny hampisandrahaka ireo orinasa malagasy amin’izao tontolo izao no tanjon’ny Fandaharanasa ” Stanford Seed Transformation Program- STP” avy amin’ny Oniversiten’i Stanford any Etazonia. Efa miparitaka aty amin’ny Kaontinanta Afrikanina sy Aziatika rahateo izany fa tsy mijanona any amin’ny Tandrefana fotsiny ihany.
TONTOLON’NY ZAITRA : Henjana ny fifaninanana, mitaky fahaiza-manao sy fahamatorana
Tsy nisalasala i Ramatoa Rafiononantsoa Tolotriniaina Domoina. Tompony sady mpitantana ny « Zarasoa confection » etsy Andrefanambohijanahary ambonin’ny Jirama nanambara fa : «Henjana ny fifaninanana misy eo amin’ireo samy mpisehatra amin’ny fanjairana sy ny fanaovana ny « sérigraphie » ankehitriny »…
MPIVAROTRA ENY ANDRAVOAHANGY : Misy manorina trano vy eo amin’ny “Esplanades”
Nanomboka ny fe-potoana nitondran’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Razanamasy Guy Willy, no nivarotra tamin’ny hazo talatalana ireo mpivarotra eny amin’ny “Esplanade A” sy “Esplanade B” Andravoahangy. Hatramin’izao dia mbola izay hatrany no iainan’izy ireo.
TRANO PRINTY LOTERANA MALAGASY : Mandalo fotoan-tsarotra ireo mpiasa
Velon-taraina amin’izao fotoana izao, ireo mpiasan’ny Trano Printy Loterana Malagasy (TPFLM) izay miisa 40 mianadahy, eny Antaninarenina. Antony dia noho ny tsy fahalavorarian’ny resaka fandoavana karama.
FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mitondra ny anjara biriky ny orinasa STAR
Maherin’ny 280 ny isan’ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Star, nandray anjara, tamin’ny fambolen-kazo tany Andranovelona, tamin’ny 14 febroary 2026.
MPANDRAHARAHA AVY AMIN’NY SEHATRA TSY MIANKINA : Hitondra anjara biriky amin’ny mponin’i Toamasina
Fihaonan’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo Mpikambana avy ao amin’ny Governemanta izay notarihan’ny Praiministra no hetsika notontosaina teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, tamin’ity anio ity.
