Ny fampiasana ny fanjaitra manify dia manify vita amin’ny volamena atsindrona amin’ny faritry ny vatana sy ireo karazan-javamaniry sy voankazo ary Ireo akora voajanahary toy Ireo karzam-bato. Ireo no fototry ny fitsaboana ireo karazan’aretina marolafy toy ny sohika “Asthme”, malia ra “spasmophiles”, sns eo anivon’ny toera-pitsaboana Cabinet médical millefolium Ainasoa, etsy Ampasampito, ambanin’ny Lycée Nanisana.
Catégorie : Samihafa
MPANAKANTO DÉSIRÉ : Hamoaka ny “Aza mifanambany”
“Aza mifanambany” io no vazo vaovao noketrehan’i Désiré, nandritra ny telovolana. Mazava ny hafatra ny amin’ny tokony tsy hanambaniana ny hafa eo amin’ny fiainana rehefa “tafa” na mba mahita rirany amin’ny fiainana, hoy, ity Mpanakanto mivoy ny gadona tropikaly, zanaky Mananara avaratra ity.
“PAMF” – “ESCM BUSINESS SCHOOL” : Hampiofana tanora momba ny banky sy ny fampindramam-bola madinika
Fifanaovan-tsonia momba ny tetikasa antsoina hoe: “PAMF Academy” izay hanofanana maimaim-poana tanora miisa 15 mahakasika ny banky sy ny fampindramam-bola madinika no fifanaraham-piaraha-miasa, teo amin’ny “Première Agence de Microfinance” na ny (PAMF) sy ny “ESCM Business School”.
TAKAITRA NAVELAN’NY RIVODOZA GEZANI ANY TOAMASINA : Hitondra anjara biriky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Nanomboka ny alakamisy 12 febroary ka hifarana ny alahady 15 febroary 2026 dia hanatanteraka voin-kava-mahatratra eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo.
TRANO PRINTY FJKM IMARIVOLANITRA : Fampitaovana no tsangam-baton’ny faha-200 taona
Feno 200 taona katroka amin’ity taona ity ny Trano Printy (Imprimerie) FJKM Imarivolanitra. Teny Fanevan’izany Jobily faha-200 taona izany, ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Apokalipsy 1/11, manao hoe: “Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky ka ampitondray ho any amin’ny Fiangonana.”
ORIASA MALAGASY “PETROFLAMME MADAGASIKARA” : Mamokatra fatana mandeha amin’ny solitany
“Petroflamme Madagasikara”. Io no anarana nasalotr’i Nirina ny orinasany. Ity farany izay misehatra amin’ny fanamboarana fatana mandeha amin’ny solitany”Pétrole” Nandritra ny fotoana nidiran’ny valan’aretina Covid 19 teto Madagasikara no nitsiry ny hevitra ho amin’ny famokarana ny fatana mandeha amin’ny solitany. Tsotra, mora ampiasaina, mitsinjo ny tontolo iainana ary mampihena ny drala mivoaka eo amin’ny tontolon’ny fahandroan-tsakafo ny fampiasana ny fatana vokarin’ny “Petroflamme Madagasikara” Ny ankamaroan’ireo akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana ny fatana dia ireo kojakoja sy fitaovana efa tsy ampiasain’ny isan-tokantrano intsony no nangonina… Ankehitriny ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra…
ORINASA STAR : Namoaka labiera “Gold rosée” misy tsiro « framboise »
Ny labiera vaovao “rosée” misy tsiro “framboise” na ny “Gold rosée” indray no zava-pisotro vaovao voalohany natolotry ny orinasa Star, ny mpanjifany, tamin’ity taona ity. Ity labiera vita amin’ny labiera fotsy ity dia amin’ny tahan’ny alikaola 5%. Tsy misy fangaro zava-pisotro na ranom-boankazo hafa no manana tsiro malefaka sy voalanjalanja tsara.
VOVONANA TSY MIAMBOHO ADIDY : Hanatanteraka diabe ny alarobia ho avy izao
Diabe miainga eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ka hifarana eny Ambohijatovo, ny alarobia 11 febroary 2026, no hetsika hanamarihan’ny Vovonana Tsy Miamboho adidy, ny fahatsiarovana ireo mpitolona teto amin’ny firenena.
OMDA : Hanatanteraka fihaonam-be, miroso amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta
Ny Alarobia 11 febroary ho avy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy amin’ny Auditorium “HAVORIA” Anosy no hanatanteraka ny fivoriamben’ny mpikambana rehetra eo anivon’ny”Office Malagasy du Droit d’Auteur” na “OMDA”.
FIANGONANA “MANAMBOARA VATSY” : Nahatontosa ny Andao handray “tso-drano” 2026
Ny tontolo andron’ny Sabotsy 31 Janoary dila teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina, no nanantanterahan’ny Fiangonana Manamboara vatsy, tarihan’ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy, ny fotoam-pivavahana nombana toriteny ary fitsofan-drano ho an’ireo Mpino eo anivon’ny fiangonana hoentina mamakivaky am-pahombiazana sy ampanetre-tena ny taona 2026.
