Ny labiera vaovao “rosée” misy tsiro “framboise” na ny “Gold rosée” indray no zava-pisotro vaovao voalohany natolotry ny orinasa Star, ny mpanjifany, tamin’ity taona ity. Ity labiera vita amin’ny labiera fotsy ity dia amin’ny tahan’ny alikaola 5%. Tsy misy fangaro zava-pisotro na ranom-boankazo hafa no manana tsiro malefaka sy voalanjalanja tsara. Tsy mamy be no tsy mangidy loatra ihany koa fa mora sotroina ary manala hetaheta. Nanomboka ny 30 janoary 2026 no hita teny an-tsena sy eny amin’ireo lalam-barotra rehetra ary manerana ny nosy, ny “Gold rosée”. Antananarivo, Antsirabe sy Toamasina ary Mahajanga no efa hahafahana manjifa azy, amin’izao fotoana izao. Haparitaka manerana ireo faritra hafa manerana ny Nosy anefa izany.
Hita anaty tavoahangy vera 33 cl izay azo jifaina amin’ny vidiny Ar 3 500, ny “Gold rosée”. Mba ho fampahafantarana sy hahafahan’ny rehetra manandrana mivantana ity labiera vaovao “rosée” ity dia hisy ny karazana fanentanana maro samihafa ho an’ny mpanjifa. Ny “Gold rosée” dia manome safidy vaovao ho an’ny mpanjifa mba hitondrana karazana fahafinaretana mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra na amin’ny fotoana andavanandro na amin’ny andro fety toy ny “Saint Valentin” na ny Paska. Ity labiera vaovao “rosée” ity dia hanehoan’ny orinasa Star fa vonona hitondra vokatra maoderina mifanaraka amin’ny filàn’ny mpanjifa hatrany izy ireo, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny marika “Gold” ao amin’ny orinasa Star, Rakotobe Mickael, ny talata 10 febroary 2026.


