Hankalaza ny faha-55 taona niorenany ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly na ny FMMB, amin’ity taona ity. Hanokafana izany amin’ny fomba ofisialy ny fanompoam-pivavahana izay hotanterahina, eny amin’ny Fiangonana FJKM Katedraly Analakely, ny 1 martsa 2026. Ny 13 jolay 2026 no feno 55 taona katroka ny FMMB fa ny 18 jolay no hanatanterahana ny ivon’ny fankalazana. Fotoam-pamaranana izany ny 31 desambra 2026. Lohahevitra entina hankalazana ity faha-55 taonan’ny FMMB ity ny “Fanarenana sy Fanavaozana ary Famoronana”. Tanjona ny hanamafy hatrany ny fanavaozana ny ara-panahin’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly.
Ankoatra izay ny fanamafisana ny fanavaozana ny eo amin’ny lafiny nomerika. Eo ihany koa ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ny manodidina ny Baiboly sy ny FMMB izay azon’ny rehetra atrehana. Hampiofana ny mpanentana sy ny mpanabe ao amin’ny FMMB ihany ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly. Ainga vao entin’ny FMMB hanamarihana ny fankalazana ny fampidirana ny lafiny fanatanjahantena ho fitoriana ny Filazantsara. Antony hananganana fotodrafitrasa hanaovana lasy sy fanentanana manodidina ny Baiboly sy ny fitoriana ny Filazantsara, araka ny fanazavana voaray.


