KOMITY MIARO NY TOLONA - KMT : Mitaky ny hisian'ny tondrozotran'ny Fanavaozana

Taorian’ny “Fivoriana Tombana” notontosain’ny “Komity Miaro ny Tolona” na ny KMT izay niresahana ny dingana mahakasika ny “Fanavaozana ” dia nanambara izy ireo fa mitaky ny hisian’ny tondrozotran’ny Fanavaozana. Saro-piaro amin’ny fijoroan’izao “Fanjakana Fanavaozana ny Repoblika Malagasy” izao ny KMT hany ka miaro izany mafy. Izany indrindra no hanamafisan’izy ireo fa tokony hotanterahana ireo fitakiana teny an-kianja mba hisian’ny tena fiovan-drafitra sy ny fiovam-pitantanana. Tanjona ny hipakan’ny” Fanavaozana ” amin’ny isam-batan’olona amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena. Indrindra fa ny famoahana ny tondrozotran’ny fanavaozana izay novolavolain’ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana. Izy io tsy fantatry ny KMT ny tena vontoatiny ka andrasan’izy ireo fatratra. Vina apetraka ny fanamafisana ny fanafainganana ny fanavaozana mba hisian’ny rafitra azo itokisana. Manentana ny mpitondra fanjakana ny KMT mba hanohy ny ezaka amin’ny famahana tanteraka ny olan’ny jiro sy rano ary ny sosialim-bahoaka. Hanafaingana amin’ny firosoana ny fikaonandoham-pirenena. Hiroso ihany koa amin’ny fanesorana ireo mpiray petsapetsa tamin’ny mpitondra teo aloha, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi