Namoaka zava-pisotro vaovao amin’ny fonosana “canette” ny Star. Tanjona ny hiarovana hatrany ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro. Eo ihany koa ny hahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatra ireo dia eo ny ezaka fanatsarana sy ny fanavaozana entin’ny orinasa dia ny famaliana ny hetahetan’ny mpanjifa izay mitady zava-pisotro mora entina sy azo sotroina na aiza na aiza. Miisa efatra ireo zava-pisotro vaovao ireo dia ny FRESH, CAPRICE sy WOCO ary XXL amin’ny endrika “canette”. Ny FRESH amin’ny endrika “canette” dia vokatra voalohany eto Madagasikara. Jifaina amin.ny vidiny Ar 3.500. Ity vokatra FRESH ity izay manampy ny FRESH amin’ny tavoahangy 65cl sy 33 cl. Ny CAPRICE izay misy tsiro Bonbon Anglais sy Orange ary Grenadine ihany koa dia efa misy amin.ny canette. Jifaina amin.ny vidiny Ar 2.500. Ny WOCO izay amin’ny tsiro Cola dia nampiana ny WOCO en canette. Jifaina amin.ny vidiny Ar 2.500. Ny XXL amin’ny endrika canette 33cl izay zava-pisotro manome hery dia azo jifaina amin’ny vidiny Ar 4.000. Tsy mitsahatra manolotra vokatra hatrany araka izany ny Star. Azo jifaina eny amin’ireo toeram-pivarotana maoderina eto amimtsika ny vokatra. Manomboka eto Antananarivo ny fitsinjarana azy ireto. Haparitaka manerama ny Nosy izany avy eo, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Star.


