Velon- taraina ankehitriny ny Sendikan’ny mpamboly vary eto Madagasikara, fa midina ambany dia ambany ny vidin’ny vary ka mahafaty antoka tanteraka ireo tantsaha mpamokatra izany. Anisany mampidina ambany dia ambany ny vidim-bary vokarina eto an-toerana ny vary nohafarana avy ivelany. Izy io izay miparitaka eny an-tsena ka mampahazo tombom-barotra ireo teratany vahiny. Ny vary vokatra avy eto an-toerana anefa dia anisan’ireo tsara kalitao araka ny fitarainan’ireo Sendikan’ny mpamboly vary eto Madagasikara.
Manao antso amin’ny fitondram-panjakana araka izany ny Sendika mba hamaha haingana ity olan’ny vidim-bary ity mba tsy hampiitatra izany. Raha ho tonga mantsy ny fararano dia ho sahirana tanteraka isika eto Madagasikara manoloana ny zava-misy. Hihamora hatrany mantsy ny vidim-bary ka haharesy ny tantsaha malagasy. Izany indrindra no hitakian”ny Sendika ny mba hanajanonana ny fanondranana ny vary avy any ivelany. Tanjona ny tsy hitobahan’ny vary nafarana avy ivelany eny an-tsena. Tonga nanotrona ity valan-dresaka notontosaina, teny Andrefan’Ambohijanahary, ny talata 24 martsa 2026 ity, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, Rajerison Antoine. Amin’ny maha injenieran’ny fambolena ity Solombavambahoaka ity dia misolo tena ireo tantsaha marobe izay mikaikaika amin’izany olana goavana momba ny vidim-bary izany, ny tenany, araka ny fanazavana voaray.


