DEPIOTE NAINA - BORIBORINTANY FAHATELO : Nanatanteraka didimpoitra faobe

126 no isan’ireo zazalahy nisitraka ny didimpoitra faobe maimaimpoana, notanterahan’ny Solombavambahoaka Ramboarivelo Andrianantenaina Jocelyn Willy “Depiote NAINA” ao amin’ny Boriborintany fahatelo sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatanterahana izany ny “assistante parlementaire” Fanja Myriam Raharimanana, ny Sabotsy 25 jolay dila teo.

Anjara biriky entina anampiana ireo mpiara-belona manoloana ny fahasahiranana iainan’ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny ny hetsika toy izao. Naniry ny hitohizan’ny asa sosialy tahaka izao eo anivon’ny boriborintany fahatelo ireo mponina. Nisy ny fanolorana kilalao sy solotsakafo ho an’ireo zazalahy nisitraka ity didimpoitra faobe notanterahan’ny Solombavambahoaka Naina avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara ao amin’ny Boriborintany fahatelo ity. Naneho fisaorana mitafotafo ho an’ireo rehetra niara-nisalahy taminy ny Solombavambahoaka Naina nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony. Tsy ny mamolavola lalana ihany tokoa mantsy ny asan’ny Solombavambahoaka fa ny manampy ireo mpiara-belona aminy ihany koa. Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Tanteraka ara-bakiteny tokoa izany tamin’ity “Didimpoitra faobe” tao amin’ny Boriborintany fahatelo ity izay notanterahan’ny Solombavambahoaka Naina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ity.

Vous aimerez aussi