MPANAKANTO "SUZA RAVEL" : Mivoy ireo "kalon'ny fahiny" sy ireo "Kalon'ny omaly"

Teo amin’ny fahavalon’ny taonany no efa nanomboka nankafy ny famelomana ireo *Kalon’ny fahiny” (Hira teatraly) sy ireo “Kalon’ny omaly” (Hiran’ny taona fitompolo …) i Suza Ravel. Ity farany izay tinaizan’ireo nahitany masoandro tanatin’ny fihainoana sy fankafizana ary fikirakirana ireo “Kalon’ny fahiny” sy ireo “Kalon’ny omaly”.

Ankehitriny, mandia ny faha dimy ambinifolo taona nivoizana ireo “Kalon’ny fahiny” sy ireo “Kalon’ny omaly” ity Mpanakanto vao erotrerony miezaka ny mitrandraka sy mamelona ireo karazan-kira misy mampiavaka ny an-kibon’Imerina ity. Nomarihan’i Suza Ravel nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa miezaka ny tsy hanova ny fomba nihiran’ireo Andrarezin’ny Kalon’ny fahiny sy ireo Hiran’ny Omaly mandrakariva izy mba hahafahana tsy manova ny “Fanahy” raiketin’ireo tononkira. Anisan’ny alalininy ihany koa ireo voambolana nentin’ireo Mpamorona nanefy ireo tononkiran’ny “Kalon’ny fahiny” sy ireo “Kalon’ny omaly”. “Maro ireo sokajin-kira teto an-kibon’Imerina mbola miila trandrahana mba ho fantatr’ireo tanora ny fisian’izy ireny sy ireo soatoavina raiketin’izy ireny”, hoy, i Suza Ravel nanantitra.

Ny Sabotsy valo Aogositra hanomboka amin’ny roa ora sy sasany tolakandro ho avy izao, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina no hanolotra seho an-tsehatra ravahana antsa tononkalo i Suza Ravel. “Ny hatanorako : kaloiko an-kira” Io no lohahevitra nasalotra ny hetsika, hoy, i Suza Ravel. Ny Vatamaroafitsoka, Valiha, angorodao ary ny aponga maroanaka. Ireo no hifandimby ho tazana eny an-tsehatra handravaka ny feomangan’i Suza Ravel sy hanapoka ny kanto raiketin’ireo tononkalo hantsain’i Riambola mitia sy Ny Manitra Abraham eny an-toerana. Ankoatry ny fihirana irery hoentin’i Suza Ravel hisy ny fampiaraham-peo eo amin’olon-droa, telo ary rodobe eny an-tsehatra. Hisy ny Vahiny tsy ampoizina hitondra ny anjara birikiny. Azo atao ny mitafa mivantana amin’i Suza Ravel anatin’ny pejy facebook “Suza Ravel” amin’ny alalan’ny fandefasana hafatra miafina. Fanamby napetrany ny hampisalotra ny Kanto sy hampianjaika ny meva hatrany ho voninahitry ny kanto malagasy. Deraina ny ezaka hilofosany ho amin’ny fametrahana amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ireo”Kalon’ny fahiny” sy ny “Kalon’ny omaly” Moa va tsy mendrika fanohanana avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny tahaka izao ?

Vous aimerez aussi