Ny taona valopolo sivinjato sy arivo no efa nikirakira ny asa zaitra i Rakotoarimisa Jean Aimé Mamiheriniaina “Taozaitra Mami” tamin’ny fanampiana ny Reniny. Ity farany izay efa an-taonany maro ihany koa no nisehatra tamin’ny fanjairana sy ny fivarotana ireo asa tanany teny amin’ireo tsena lehibe toa an’Andravoahangy.
Azo ambara, araka izany, fa manana ny traikefa matanjaka ombana haizatra matevina amin’ny asa zaitra i Mamy. Izy izay mitantana ny Orinasa”Taozaitra Mami” ankehitriny etsy Manarintsoa Atsinanana, akaikin’ ny biraom-pokontany. Nomarihan’i Rakotoarimisa Jean Aimé Mamiheriniaina hatrany nandritra ny tafa nifanaovanay taminy fa ny fananana fahamatorana toy ny fanajana ny fotoana omena ireo “Mpanjifa” hahavitan’ny asa sy ny fikajiana mandrakariva ny kalitaon’ireo vokatra. Ireo mitambatra miampy ny finiavana hanatsara hatrany ny tolotra. Ireo no tsiambaratelon’ny fahombiazana amin’ny asa zaitra ataony. Marihana fa tsy mifidy asa atao ny “Taozaitra Mami” Singanina amin’ireny ny famokarana T-shirt, polo, gilet, maillot, survêtement, sns.
Anisan’ny mampiavaka ny “Taozaitra Mami” ny famokarana ny “Tote bag” ilay harona vita amin’ny lamba soga izay efa mipariaka any amin’ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara ankehitriny. Tsy mihanona hatreo ny sehatrasan’ity Orinasa malagasy zato isan-jato ity fa misandrahaka amin’ny fanjairana ireo akanjo fitondra amin’ny lanonana isan-karazany ihany koa izy ireo (sur-mesure) Tsongaina amin’izany ny fanjairana ny costard, sns Marihana fa afaka manatanteraka izay rehetra takian’ny”Mpanjifa” amin’ny fomba hanjairana ireo karazana akanjo ny “Taozaitra Mami”.
Ankoatry ny asa zaitra, misehatra amin’ny fametrahana soratra, sary “Sérigraphie” koa ny Orinasa. Nanterin’i Mamy fa azo antoka tsy hiala hatramin’ny faharovitan’ny akanjo ireo sary na soratra hapetaka amin’izy ireo. Olana sedrain’ireo mpisehatra amin’ny asa zaitra toy ny “Taozaitra Mamy” ankehitriny ny fitadiavana kalitaon-damba tsara. Ho azy, ireo mifanaraka amin’ireo”Mpanjifa” hatrany ny Orinasa mba tsy hisorohana ny olana mety haterak’izany. Ny laharana 034 04 933 66 no ahafahana mifandray mivantana amin’ny”Taozaitra Mamy” Misy ihany koa ny pejy tavam-boky fb : Taozaitra Mami.


