Anisan’ny sehatrasa miroborobo fatratra tato ho ato ny lafiny fikarakarana sy ny fanafanana lanonana. Anisan’ny tsiambaratelon’ny fahombiazana ho amin’izany ny fananana toe-tsaina tia mamorona eo amin’ny endrim-panentanana sy fanafanana ary hatramin’ny fampihaingoana ny sehatra. Tsy mijanona hatreo anefa fa ilaina indrindra koa ny fahamatorana toy ny fanajana ny fotoana nifanomezana, ny fanatanterahana ireo tolotra rehetra nifanarahana tamin’ireo Mpanjifa. Ireo rehetra ireo laroina fitiavana ilay asa.
Ho an’ny “Billy sound music” izay mandia ny faha efa-taonany niseharany teo amin’ny fanomanana sy fanafanana lanonana. Niainga tamin’ny fampanofana ireo fitaovana fampiasa amin’ny fanatanterahana lanonana toy ny fanamafisam-peo, zavamaneno, jiro sy hazavana ary haingon-tsehatra… ny sehatrasan’izy ireo. Noho ny fananan-dRavelonarivo Célestin, mpitarika ny “Billy sound music” ilay toe-tsaina tia mamorona sy fivelarana ary ny fitiavana manokana ny mozika. Efa misandrahaka amin’ny lafiny fanafanana lanonana ihany koa izy telo ambinifolo mianadahy mandrafitra ny “Billy sound music”. Nomarihan-dRavelonarivo Célestin fa nandalo fiofanana avokoa ireo teknisianina mpikirakira ireo fitaovana, ireo mpihira sy mpitendry zavamaneno eo anivon’ny “Billy sound music”. Misy hatrany ny famerenana in-droa isam-bolana ho fanamafisana ny fiarahana amin’ny fanatanterahana ny asa sy famolahana ireo karazan-kira vaovao. Mampiavaka ny “Billy sound music” ny fisian’ny “Tolotra tsy ampoizina” ho an’ireo misafidy azy ireo.
Marihana fa tanora no maroanisa amin’ireo mpikambana eo anivon’ny “Billy sound music”. Ity farany izay sahy manao fanamby ny hanolotra hatrany ny kanto sy hampianjaika ny meva ho an’ireo mametraka ny fitokisany amin’izy ireo ho amin’ny fanomanana sy fanafanana endrin-danonana samihafa. Ny pejy facebook “Billy sound music” no ahafahana mitafa mivantana amin’izy ireo. Azo atao soa aman-tsara, araka izany, ny mamorona asa amin’izay misy eo ampelan-tanana sy mamelatra izany miandalana rehefa eo ny finiavana ombana famoronana ary tovanana fitiavana.



