Hentitra ny fanehoan-kevitra nentin’ny filohan’ny Antoko politika Fy-M Raderanirina Sendrison Daniela manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. “Ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena lavitry ny hosoka no tokony hilofosana malaky vao miroso ho amin’ny fikitihana ny Lalam-panorenana isika raha tena ilaina ny fanaovana izany” hoy izy. Ny fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ho lavitry ny hosoka, ny halatra mba hivoahan’ny tena safidim-bahoaka, araka izany, no tokony ho lahadinika anatin’ny Fikaonan-doham-pirenena. Ity farany izay ahatsapana fikorontanana eo amin’ny fanatanterahana azy.
Tsy ny fanipazana ny fikarakarana ny fikaonan-doham-pirenena any amin’ny FFKM no vahaolana fa ny fametrahana mazava ny tanjona tiana ho tratrarina amin’ny fanatanterahana izany. Azo hatao tsara ny mitondra fanatsarana ny tontolon’ ny fanatontosana ny fifidianana filohan’ny Repoblika miainga amin’ireo tranga rehetra nisy tamin’ny fifidianana natao teto Madagasikara hatramin’izay. Anjara asan’ireo fiarahamonim-pirenena ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana mba hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana.
Iaraha mahita anefa fa misy ny tsindry ataon’ireo fianaviambe iraisam-pirenena amin’ny fametrahana fe-potoana fohy dia fohy ho amin’ny fikitihana ny Lalam-panorenana sy ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena izay hita mazava fa hiteraka krizy vaovao indray eto amin’ny Firenena ny fanatanterahana fifidianana feno hosoka sy ny famolavolana Lalam-panorenana petatoko anatin’ny fotoana fohy dia fohy. Mila fahasahiana avy amin’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny fitondrana fanazavana ho an’ireo Fianakaviambe iraisam-pirenena mba ho tombontsoa ambonin’ny Firenena sy ny Vahoaka malagasy. Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara koa tsy tokony hanaiky lembenana mora foana amin’ireo endrika tsindry sy fanerena ankolaka ataon’ireo Firenena hafa.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

