"ANJOMARAN'NY FITIAVANA TOAMASINA" - "STK TIA ANDRAISORO" - RFF AMPARIBE" : Hiray sehatra anatin'ny "Asandrato"

Ho fankalazana ny faha dimampolo taonan’ny STK Tia Andraisoro Kristy famonjena sy ny fanamarihana ny faha dimy ambiny telopolo taona namoronan-dRazafindrazaka Handrisoa hira fiderana. Ity farany izay “Chef de chœur” eo anivon’ny Antoko mpihira Anjomaran’ny fitiavana FJKM trano vato fitiavana Toamasina ary fanamarihana ny jobily volafotsy faha dimy ambiny roampolo taona nijoroan’ny RFF FJKM Amparibe famonjena. Ireo fankalazana telo lehibe ireo no hatambatra anatin’ny konseritra lehibe “Asandranto” Hotanterahana ny tolakandron’ny Sabotsy 15 Aogositra ho avy izao, etsy, amin’ny Havoria Anosy.

Sambany no hiray sehatra ny Antoko mpihira avy amin’ny synodam-paritany szmy hafa sy ny avy any amin’ny faritra. Ny fiarahan’izy ireo anatin’ny sehatra iray izay azo antenaina fa hitondra endrika tsara kokoa hatrany amin’ny asa fitoriana an-kira tahaka ny “Asandranto” Haharitra adim-pamataran’ora roa sy sasany ny konseritra. Ankoatry ny fihiran’ireo Antoko mpihira miisa telo ireo tsanganasany, hisy ny fampiaraham-peo eo amin’izy telo tonta.

Ho matihanina ny jiro, hazavana, ny fanamafisam-peo ary ny haingon-tsehatra eny an-toerana. I Rado avy ao amin’ny STK Andraisoro no hiantsoroka ny fanentanana eny an-tsehatra. Mpitendry zavamaneno efa samy matihanina no hiantsoroka ny fitendrena. Anisan’ny hetsika irariana ny hitohizany ny tahaka izao ho fanabeazam-boho ny asa fitoriana sy ho ainga vaon’ny hira evenjelika. Mitaky asa fikarohana sy fandalinana hatrany tokoa mantsy ny Tontolon’ny fikirakirana ny mozika fa tsy vitan’ny petatoko sy ny fientanam-po fotsiny ihany.

Vous aimerez aussi