ANTSAHAKELY - BESARETY : Halatra tany !

Nividy trano tao Antsahakely ilay olona dia nofefeny daholo hatramin’ny tanim-panjakana izay hivarotana. Tsy misy fanamarihana hoe tompony izy fa bodogerona fotsiny. Tsy velona intsony ny mponina very tsena mamelona olona aman-jatony. Ao Antsahakely – Besarety ao dia misy mpanao didin-jadona miseho mahalala olona ambony any dia mampijaly ny vahoaka madinika. Tsy misy idiran’ny fividianana trano akory ny eto fa fankana an-keriny ny sisin-dàlana izay ivarotana. Tsy hita tety ny manam-pahefana tamin’ny namefena ny toerana, tsy misy fanazavana ampahibemaso fa tonga dia napetraka ny fety vita amin’ny tôle. Tsy nisy nahateny na iray aza, fa mahay olona ambony hono hoe. Ny latabatra fivarotana aza mbola tavela ao. Mila fidinana haingana an’ireo tompon’ andraikitra mahefa amin’izao raharaha izao ny mponina ety Antsahakely – Besarety fa misy tsy mazava. Tsy misy taratasy milaza fa voafaritra ao anatin’ io trano novidiana io ny sisin-dàlana. Ary ho aiza ireto mpivarotra kely sy marefo ? Sa efa didin’ny be sandry no manjaka ? Aiza ny fampiharana ny lalàna tokony ho izy ?

Latabatra fivarotana tavela.
Latabatra fivarotana tavela.
Niha-lehibe ny tokotany.
Niha-lehibe ny tokotany.

Vous aimerez aussi