FIZOTRY NY RAHARAHAM-PIRENENA : Mila fanazavana feno ny Malagasy mba tsy ho tompon-trano mihono lava izao...

Fikaonandoham-pirenena sasatry ny mihemotra ny fanatanterahana azy, vidim-piainana manonga saika isanandro vaky, tsy fandriam-pahalemana mirongatra sy tsy voafehy… Ampahany ihany amin’ireo tara-kevitra maro mifamahofaho saika ho isanandro vaky ao an-dohan’ny Malagasy ireo ankehitriny. Mila mitondra fanazavana ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany fa lasa tompon-trano mihono ny Vahoaka Malagasy. Tsy mahagaga raha mahazo vahana ny “Honohono” sy ny “Tsahotsaho” izay ahiana hiteraka fahalemana ho an’ny fitondrana mijoro noho ny mety ho fihenan’ny fahatokisan’ny Vahoaka ireo Mpitondra.

Tsikaritra ho misy lesoka, hoy ny maro ny lafiny serasera sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny fitondram-panjakan’ny fanavaozana. Ny hafa mihevitra fa tsy tokony ho fantatry ny Valalabemandry ny ativilanin’ny raharaham-pirenena rehetra fa misy “hono” ilay hoe : “Politika avo lenta” (Haute politique) sy ny tsiambaratelo ilaina tandrovana fatratra amin’ny fitondrana firenena sy ny fisian’ilay fitenenana sadasada manan-tsoratra hoe : Ny marina rehetra tsy filazantsara. Tsy azo lavina koa anefa etsy ankilan’ireo rehetra ireo fa mila fantatry ny Vahoaka amin’ny maha tompon’ny fahefana azy ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Tsy sanatria atao toy ny faty entin’alina izy ireo. Mila mipetraka hatrany ny fifampitokisana eo amin’ny Vahoaka sy ny Mpitondra. Sarotra anefa ny hahatanteraka izany raha tsy misy ny fampitam-baovao mazava sy ara-potoana ary mitombona avy amin’ireo Mpitondra fanjakana ankehitriny ny amin’ny fizotry ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Hatreto aloha, tsapa fa mbola misy ny madilana tokony ho tentenina eo amin’ny lafiny serasera amin’ity fitondrana fanavaozana ity. Iarahana manaiky rahateo fa tsy hitera-bokatsoa ho an’ny rehetra ny fanaovana ankiafinafina toy ny varotra voanatsindrana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. “Atsipy ny tady an-tandroky ny omby, atsipy ny teny am-pon’ny mahalala”. Firenena iaraha manana rahateo ity Nosy misarin-tongotra ankavia ity koa tsy tokony hisy ny Gasy atao ho tompon-trano mihono amin’ny fizotran’ny raharaham-pirenena raha tena tiana ny hisian’ny fampandrosoana mirindra.

Vous aimerez aussi