MPANAKANTO RANTO : Manajary "Mozika mitoetra"

Tanjon-dRakotoarimanana Niry Ndranto “Ranto” amin’ny fikirakirana ny mozika ny hamokatra kanto an-kira (Mozika) mitoetra sy mipetraka mahatety vanimpotoana maro mifandimby toy ireo efa nojarian’ireo mpanakanto andrarezina Malagasy. Mampiavaka ny tsanganasan’ity mpanakanto tanora ity ny fisian’ny anatra sy ny hafatra sahaza ny sokajin-taona rehetra anatin’ireo tononkirany. Manome vahana kokoa ny fampiasana ny “Rima” sy ny endrika hatsikana anatin’ireo tsanganasany i Ranto. Anton’izay ny hahafahana mampikanto bebe kokoa ireo vokakanto jariany sy ny hanamora ny fampitana ireo hafatra sy anatra. Tsy atoro amin’ny famolahana ny “Rima” rahateo izy noho ny efa nilomanosany an-taonany maro tao anatin’ny tontolon’ny mozika rap.

Rakotoarimanana Niry NdrantoNy taona roa ambiny roampolo sy roarivo no nikopak’elatra samy irery nanangana ny tarika ho azy i Ranto. Hahenoana feon-gitara tsotra “Acoustique” hatrany ireo vazon-dRanto. Ity farany izay nanovo ny fifehezana ny fiangaliana ny gitara tamin’i Dadany.

Ilay tsanganasa “Atao tsotsotra” nojariana avy amin’ny fampiarahana ny “Afro beat” sy ny Vazo miteny nolaroina ilay loko atarafana ilay “fanahy malagasy” Io no nentin’ity Mpanakanto ity nababoana ny fankafizan’ny maro. Asongadiin-dRanto ao amin’ny tononkira fa tsy voatery hanana ny ampy sy hanao fandaniana mihoampampana vao afaka miroso amin’ny fanatanterahana ny fanambadiana. Miroso hatrany amin’ny fiangaliana ny “Vazo miteny manaraka ny toetrandro” i Ranto mba hahatrarany ilay tanjona dia ny hametraka kanto an-kira mitoetra tsy mety ho vasoky ny taona maro mifandimby. Olombelona miisa vako ankehitriny no miara misalahy amin’ny fiketrehana ny kanto voizin-dRanto.

Miavaka amin’ny fananana ilay feo migobona i Ranto. Nanteriny fa manamora ny famokarana ny mozika ny fisian’ny teknolojia ankehitriny saingy mila apetraka mandrakariva manoloana izany ny fanomezan-danja ny lafiny famoronana avy any anaty mba tsy hahavery ny maha zavakanto itoeran’ny “fanahy” ny mozika. Mitohy ny fanjohiana ny lalan-tsarotry ny mozika ho an-dRakotoarimanana Niry Ndranto. Efa maro ireo vazony vaovao alin’ny endrika rindran-tsary hivoaka tsy ho ela.

Ranto, mpanakanto malagasy

Vous aimerez aussi