ZOTRA E AMBOHIMANGAKELY : Tompon-daka amin'ny fampijaliana mpandeha

Mbola misy ve ilay bokin’andraikitra mirakitra  ireo fepetra tsy maintsy arahan’ireo  Koperativa misehatra alin’ny fitateram-bahoaka an-drenivohitra sy ny manodidina ? Tsia avy hatrany ny valiny raha ny fomba fiasan’ny Zotra E mampitohy an’Ambohimangakely amin’ny Renivohitra izay anjakan’ny gaboraraka no resahana. Ampahany amin’izany ny fihodinana an-dalana, tsy fanajana mpandeha ary ny fodiana mialohan’ny ora voafaritra fa tokony mbola iasan’izy ireny. Tompon-daka amin’ny fampijaliana ireo mpandeha tokoa, araka izany, ny Zotra E Ambohimangakely.

Manoloana izany mitazam-potsiny ireo mitonona ho tomponandraikitra isan’ambaratongany. Toy ny eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely, ireo mpotandro ny filaminana… Tazana ihany ireo Olombelona manao fanamiana avy amin’ny Zotra E izay mpandrindra ny fomba fiasan’mpamily sy ny manampy azy sao’gy tanteraka amin’izy ireo tokoa angamba ilay hoe : “Mpaminany tsy masina an-taniny”. Vokany, mahazo lakz hatrany ilay fomba fiasa gaboraraka mampijaly ireo mpandeha mampiasa ny Zotra E. Entanina ireo tomponandraikitra mba handray fepetra hentitra toy ny fanasaziana ireo mpamily na ny mpanampy azy tsy manaja ny bokin’andraikitra. Hatreto mbola tsy tanteraka ilay Fanovana ho amin’ny tsara kokoa amin’ny fomba fiasan’ny Zotra E Ambohimangakely.

Mila haverina ny fanofanana ireo mpisehatra amin’ny fitateram-bahoaka fa mijaly ireo mpandeha vokatry ny fomba fiasa gaboraraka ataon’ny eo anivon’ny Zotra E. Hirariana ihany koa ny hisian’ny fihaonana eo amin’ny Koperativa E, ny Kaominina Ambohimangakely ary ny solontenan’ireo Mpanjifa hizahana miaraka ny vahaolana. Tsy resahana ilay “Fikambanana miaro ny Zon’ny Mpanjifa” fa mety mbola variana amin’ny fanarahana ny fiovaovan’ny zotran’ny tsio-drivotry ny politika angamba e ? Aza hitako ! Ny Mpanjifa anefa efa mizioga ny tsy eran’ny ainy noho ny afitsok’ireo mpisehatra amin’ny fitateram-bahoaka.

Vous aimerez aussi