Ny tolakandron’ny Sabotsy 26 Septambra ho avy izao, hanomboka amin’ny roa ora sy sasany tolakandro, etsy amin’ny Fiangonana FJKM Ankaraobaton’i Kristy fehizoro, no hiaka-tsehatra ny tarika Rojo Ny Avo amin’ny endriny feno.
Rindran-kira hatao ho amin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha folo taonan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Mpitandrina Rarivoarisoa Sabine sy ny fiangonana FJKM Ankaraobaton’i Kristy fehizoro. Rojo Ny Avo no nofidiana, hoy, Ralison Felana, filohan’ny Komitin’ny fankalazana noho ity Mpanakanto ity efa matihanina amin’ny fiangaliana ny hira evenjelika sy ny fananany tononkira sy gadon-kira maroloko sahaza ny sokajin-taona rehetra. Tsy hatao ho ambanin-javatra ny pitsopitsony ara teknika manodidina ny fanatanterahana ity rindran-kira ara-pilazantsara ity toy ny fanamafisam-peo, ny haingon-tsehatra, jiro sy ny hazavana mba hianoka ny meva,sy hianjaika ny kanto ary hanovo hery sy aim-panahy vaovao ireo Mpankafy. Samy ho vetsoin’i Rojo Ny Avo eny an-toerana avokoa ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay toy ny “Vita sedra”, “Voky fitahiana” miampy ireo tsanganasany vao mafana toy ny “Tsy ampahafiriny”.
Efa azo vidiana eny amin’ny Fiangonana FJKM Ankaraobaton’i Kristy fehizoro ny tapakila. Hisy ny fanomezana manokana ho an’ireo manjifa ny tapakila voatokana “VIP” sandaina amin’ny vidiny telo alina ariary. Ankoatr’io misy ny tapakila amin’ny vidiny iray alina ariary (Fanasana) Dimy arivo ariary ho an’ny lehibe ary roarivo ariary ho an’ireo ankizy. Ho tanteraka ara-bakiteny amin’ny fanatrehana ity rindran-kira ara-pilazantsara hiarahana amin’i Rojo Ny Avo sy ny tariny ity tokoa, araka izany, ilay fomba fiteny mahazatra antsika loatra hoe : “Ny adidy ho vita, ny fahafinaretana ho azo”. Hiampy ny angovo vaovao ara-panahy izay ilaina ho toy ny vatsin-dalana ho amin’ny famakivakiana ny lalan-tsarotry ny fiainana an-tany.


