FANAKATONANA NY "LYCÉE ANGLIKANINA SAINT JEAN AMBOHIMANGAKELY" : Voafitaka ireo Ray aman-drenin'ny Mpianatra

Alahelo, hatezerana, fahadisoam-panantenana ireo no fihetseham-po nifamahofaho tamin’ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra nampiana-janaka tao amin’ny sekoly Anglikanina Saint Jean Ambohimangakely noho ny fanakatonana ny sekoly tampoka sy tsy nifampierana. Ny fampitam-baovao nolazain’ny Presibiteran’ny Fiangonana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy tamin’ny “Alahadin’ny sekoly” sy ny fivorian’ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra niaraka tamin’ireo nambara fa ho mpiara-mitantana, ny iraika ambiny roampolo Jona izay fetin’ny Ray no nilazan’izy ireo fa misokatra ny kilasy rehetra (Sixième-Terminale). Akory anefa ny hagagan’ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra raha nahita fa mikatona tanteraka ny “Lycée Anglikanina Saint Jean Ambohimangakely”. Vokany, maro tamin’ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra no sahirana amin’ny fitadiavana sekoly hampianarana ireo zanany. Misy fiatraikany ratsy ho an’ireo mpianatra ihany koa izao tsy fandraisan’andraikitra sy fanaovana tsinontsinona avy amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongan’ny sekoly Anglikanina eto Madagasikara izao.

Marihana fa resaka novoizin’ny Presibiteran’ny Fiangonana Santa Jaona Ambohimangakely sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ny hisian’ny “fiaraha-mitantana” eo amin’ny Sekoly Anglikanina Saint Jean Ambohimangakely amin’ny sekoly”Au-beau lieu” ho fanatsarana ny sekoly, araka, ny nambarany. Ilay fanakatonana ny sekoly izany ve no fanatsarana izay novebtesiny ombieny ombieny ? Endrika ratsy ho an’ny tontolon’ny fampianarana eo anivon’ny sekoly Anglikanina eto Madagasikara ity nitranga etsy Ambohimangakely ity. Ny Fiangonana no Reny mpiahy ny sekoly Anglikanina araka ny rafitra misy ? Tanteraka tokoa ve izany ho an’ny sekoly Anglikanina Saint Jean Ambohimangakely sy ny Fiangonana ?

Vous aimerez aussi