MPITSABO MALAGASY FITRAMA : Nahazo birao vaovao manara-penitra

Notokanana ny alakamisy lasa teo ireo birao vaovao fandraisan’olona an’ny mpitsabo Malagasy Fitrama. Ka teo amin’ny 2 taona teo no nanavaozana io birao io, izay nahita ny fandraisan’olona na salle “consultation”, ny “contrôle”, ny “salle de massage”. Navaozina mba hanara-penitra ity birao vaovao ity, hoy ny filoha tale jeneralin’ny Fitrama atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa mba hanana endrika vaovao mba ahafahana manandratra ny maha Malagasy no antony nanavaozina izany. Ny Fitrama dia manana ny maha izy azy, satria manana ny “observation Clinique”, izay nahazoana fankatoavana teo anivon’ny fokontany, ny kaominina, ny “medecin chef” ary tany amin’ny ANTM izay nahazoana fankatoavana. Omeo fahefana feno ny ANTM ary ity farany no afaka manasazy izay mpisandoka, fa tsy ministeran’ny fahasalamana akory. Miroborobo amin’izao ireo mpitsabo Malagasy nentim-paharazana, nefa manan-jo misafidy ireo olona marary hisafidy izay toeram-pitsaboana tiany handehanana. Marihana, fa io ANTM io no rafitra tokony hanitsy ny zavatra tsy mety rehetra eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Manatsara ny kalitao ny agence ao aminy koa ny Fitrama, satria mahatratra 56 ireo Fitrama manerana ny nosy amin’izao fotoana izao ary tafiditra ao amin’izany ny “observation Clinique”.

Vous aimerez aussi