Feno ny fepetra ahafahan’ny kaominina Ankadinondry Sakay ho distraka fahatelo ao amin’ny faritra Bongolava, raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna atoa Ramananjatovo. Raha ny nambarany mantsy dia feno ny fepetra mba ahazoana izany ary maro ireo fotodrafitrasa ao an-toerana no efa vita, izay ahitana tobin’ny zandary sy miaramila, sekoly, trano famakiam-boky, tranom-pokonolona, kianja 2, ka ny iray hangatahina hatao manara-penitra, lisea, Ceg, Epp, sns. Raha ireo fotodrafitr’asa maro ireo no jerena dia tokony hahazo distrika fahatelo ao amin’ny Bongolava ny Kaominina. Eo ihany koa ny fitomboan’ireo mponina ao aminy izay mahatratra 59 100 amin’izao. Midadasika ihany koa ny kaominina, satria mirefy 376 kilometatra toradroa na 376 km² ary fokontany 22 no mandrafitra ny kaominina. Ankoatra ireo fotodrafitr’asa maro ireo, dia misy ny fangatahan’ny kaominina mba hanamboarana ny teteazana ao amin’ny fokontany Ambonara sy Tia Fandrosoana ary mampitohy ny fokontany Tsisoahoanirery. Nambaran’ny lefitry ny Ben’ny tanànan’Ankadinondry Sakay, atoa Rakotoaritsimba Solomamy, fa ao anatin’ny 6 volana voalohany amin’ny maintany dia miampita rano ary mirobon-drano ny mponina raha hamonjy tsena ao Ankadinondry Sakay, fa ny 6 volana faharoa dia tsy azo handehanana intsony io rano ao Sakay io, satria miakatra ny rano ary lakana no hiampitana amin’izany. Mijaly ny mponina, indrindra fa ireo marary sy ireo bevohoka hamonjy fiterahana. Noho izany mangataka amin’ny fitondram-panjakana mahefa izay tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ny Ben’ny tanànan’Ankadinondry Sakay mba hanamboatra tetezana eo amin’ny ranon’i Sakay io, mba tsy hijalian’ny vahoaka intsony, fa sahirana tanteraka izy ireo, na amin’ny famoahana ny vokatra aza. Eo ihany koa ny fanatanterahana ireo fampanantenaina nataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny mponin’Ankadinondry Sakay mba hananganana ireo fotondrafitrasa manara-penitra, ka anisan’izany ny kianja, ny Epp. Matoky ny filohampirenena Rajoelina Andry ny Ben’ny tanàna amin’ireo tokony fampanantenaina nataony ireo, hoy izy.


